Tsy fantatra be eny ihany ny tena fizotran’ity Coronavirus eto Madagasikara ity, hoy ny mpanao politika, Eric Rabeharisoa. Sarotra be ho an’ny mpitondra fanjakana ny mamoaka stratejia satria tsy fantany ny tena fipetrak’ilay izy.
Mijery ny zava-misy sy ataon’ny fanjakana isika. Marina fa miezaka amin’ny alalan’ny fanomezana samihafa ny fitondrana fa tsy ampy ary lavitra be amin’ny fijalian’ny vahoaka ny fanampiany. Vola tsy toko tsy forohana, hoy ny fanazavany, no hampiasain’ireo firenena mandroso iadiana amin’io valanaretina io ary izany dia mampiseho sahady fa hiha hahantra kokoa ny tany mahantra aorian’izao. Ny ho avy ny ahy no jereko hoe ho sarotra ny fitantanan’ny mpitondra ny raharaham-panjakana ao aoriana. Tsy hiteny ao aoriana koa anefa ao satria tsy fantatra mihitsy izay fotoana hiafaran’ity Coronavirus ity. Aman-taona io Coronavirus io, hoy izy, ary ireo orinasa afaka haba, ohatra, mety any amin’ny 75% any no hikatona. Ny resaka hoe andiany faharoa amin’ny aretina moa dia ny andiany voalohany aza mbola tsy mifarana ary eo no tena hampidi-doza ny fanjakana satria tsy hitany intsony hoe aiza no hatomboka ary aiza no atao, aiza ny enti-manana hamongorana ny aretina. Marina fa manome fanampiana ny avy any ivelany fa kely dia kely io. Mety amin’ny vola Malagasy isika no miheritreritra hoe volabe izany 300 tapitrisa dolara na 500 tapitrisa dolara fa tsy misy dikany ao anatine firenena izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Eric Rabeharisoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.