Politique

Endrim-piarahamonina tsara hampiharina eto Hozarain’ny CFM tsy ho ela ny horonantsary


  • Zoma 06 Novambra 2020

Anatina fotoana misy faharavana be dia be eo anivon’ny fiainana isika izao, hoy ny avy eo anivon’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, sampana Antananarivo.

 

Rehefa izany dia mila manangana sy manorina indray ny firenena. Mahita izahay fa misy rafi-piarahamonina sy rafi-pisainana ary toe-tsaina mbola entina miara-miaina mitahiry tsara ny soatoavina Malagasy ka hahafahana mitantana, mandamina, mifampifehy, mifanentana, mifanome tanana ary mifanabe tsara hampiharina eto. Izay no anton’ny rakitsary hivoaka tsy ho ela hoe “Kianja maintso” hanehoana io rafi-piarahamonina any ifotony io, hoy ny CFM Antananarivo, izay namolavola izany. Ho entintsika hanaingana ny firenentsika ary izao tontolo izao ary mety hitodika hoe hay ny olombelona no tena fototra iorenan’ny firenena. Natao ifampitsinjo ny olombelona tsirairay. Rehefa mahatsiaro tena ho samy tompony sy ny mahatsiaro hoe soa iombonana dia mandeha ho azy ny fitondrana sy rafi-pitondrana. Hery lehibe ho an’ny rafi-pitondrana ity zavatra ity, hoy hatrany ny CFM, ho amin’ny fampandrosoana. Hita ao daholo ny resaka fanisana vahoaka, fametrahana filaminana, valin-tanana ara-toekarena, fifanampiana ara-tsosialy, ny resaka hetra sy foto-drafitra sy ny hafa be dia be mba tsy hifandaniana andro hifampitoriana eny amin’ny rafi-pitsarana etsy sy eroa. Tsy handany vola sy fotoana hanaovana kolikoly atsy sy aroa ihany koa. Mametraka ny fokonolona amin’ny maha fototry ny firenena azy ity horonantsary ity, hoy hatrany ny fanazavana, ary ezahana hozaraina amin’izay liana rehetra. 100 isa mahery kely no hantontanay ety am-piandohana fa tsy maintsy hanao maromaro izahay rehefa mitombo ireo mila izany, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT