Politique

Emmanuel Jacob Tehindrazanarivelo “Ahilika any amin’ny zanak’i Mahajanga ny rihitra rehetra ?”


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Naneho ny alahelony amin’ny fahitany fa fanilihana ny rihitra sy ny tsy

 

fihetezana rehetra amin’ny zanak’i Mahajanga ny Pasitera Emmanuel Jacob Tehindrazanarivelo omaly 22 desambra, taorian’ny fanamelohana higadra 4 taona ny Tale Jeneralin’ny Jirama teo aloha Atoa Désiré Rasidy ny 21 desambra teo. Ity farany izay marihina fa nohampangaina ho nanampatra fahefana sy namotsy vola, ary nihary harena tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, ka efa ny 03 desambra no naiditra am-ponja vonjimaika, avy eo nohelohina. “Gaga izahay raha nahare fa voasazy 4 taona an-tranomaizina izy, ny Tale Jeneralin’ny Jirama teo aloha Désiré Rasidy. Tsy hoe mitsipaka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana, adidin’ny fitsarana ny mandray andraikitra araka ny heveriny fa mety. Ny Ray aman-dReny niteraka, ny vahoaka tsy mandady harona izay amin’ny anarany no hamoahana izany didy izany, dia manana zo ihany koa hiteny. Ny mahagaga dia mahagaga, isan’ny zavatra nokotrehina rehefa misy zavatra tsy mandeha dia to any zanak’I Mahajanga no atao “bouc émmissaire” araka ny filazan’ny zatovo. Gaga izahay Atoa Filoha, mitodika aminao manokana, fa mahalasa eritretritra. Teo ny Pr Rijasoa Manana Minisitry ny fanabeazana, ny minisitra Marie Thérèse Volahaingo nalàna baraka, ny Pr Ahmad Ahmad izay nanaja ny fihanihanana nataony ka nandray ny andraikiny. Inona re Tompoko ny hadisoana nataony ? Nogadraina 4 taona ny rahalahinay Désiré Rasidy, izay toa natao fanomezana noely ho anay, hoy io rahalahin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny io naneho ny alahelony tao amina fahitalavitra tsy miankina iray.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT