Politique

Emilien Ramboasalama “Mizotra any amin’ny fahoriana mangitsokitsoka ny firenena”


  • Zoma 15 Janoary 2021

Rehefa mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny toy ny raharaha volamena, kere,

 

 

 

 

vidim-piainana midangana sy ny maro hafa, hoy ny depiote Emilien Ramboasalama, dia mazava ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahafehezana na hoe “incompétence” n’ny fitondrana ankehitriny amin’ny fitondrana raharaham-pirenena. Raha tena niomana hatramin’ny voalohany ny fitondram-panjakana dia tsy nitranga izany rehetra izany. Tsy vao izao no nisy kere, ohatra. Mba nijery vahaolana momba azy io ihany ny mpitondra teo aloha fa tamin’ny taon-dasa sy tamin’ity taona ity tena zava-doza. Tsy mbola nisy Malagasy nivarotra fananana handao tanindrazana sy hifindra toeran-kafa hanatsara fivelomana. Midika io fifindrana olona miisa 600 avy any atsimo ho any Matsiatra ambony na Ihorombe na Analamanga io fa tsy matoky ny fitondrana intsony ny mponina any atsimo. Tezitra ny olona satria tsy nahavaha olana ireo vahaolana tapimaso fotsiny natao tany. Tsy misy politika maty paika hamahana ilay kere sy tsy fanjarian-tsakafo kanefa i Bezaha, 50 kilaometatra miala an’i Tongobory. Tsy tapaka rano ao mandava taona ary misy toeram-pilomanosana na “piscine” rano mafana. Raha hanaovana fantsona iray lehibe miala eo Bezaha mankany Tongobory dia efa mahasahana an’Androy sy Bekily na Betioka. Variana amin’ny rendrarendra fa tsy mahalala ny laharam-pahamehana ho an’ny firenena ny mpitondra. Tsy mahay mitantana sy tsy mahafehy raharaha no eo amin’ny fitondrana na dia be diplaoma aza ankehitriny. Tanamasoandro sy kianja manara-penitra no maha maika nefa 1.000.000 mahery no isan’ny iharan’ny kere any atsimo. Mizotra mankany amin’ny fahoriana mangitsokitsoka ny firenena ankehitriny, hoy hatrany izy, indrindra, raha mbola mitohy tsy mihaino sy tsy mifanatona amin’ny hafa ny mpitondra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT