Politique

Emilien Ramboasalama “Fiaikena tsy fahombiazana ny kabarin’ny filoha”


  • Talata 11 Aogositra 2020

Kabary fiaikena tsy fahombiazana tao anatin’izay 4 bolana mahery nitantanana ny ahamehana ara-pahasalamana izay no fahitako ireny kabarin’ny filoham-pirenena ireny, hoy ny solombavambahoakan’ny boriborintany faha 4, Emilien Ramboasalama.

 

 

Natao iny fanapahan-kevitra iny mba hamalifaliana vahoaka. Lazaina fa tonga ny fanampy rivotra na “concentrateur d’oxygène” sy hoe itarina kely ny fihibohana. Rehefa dinihina anefa izany ity fanjakana ity dia fanjakana matahotra hilaza ny marina. Rehefa nanao fanadihadiana teny amin’ny boriboritany misy ahy ny tenako dia misy mpanao vatapaty miisa 3 eny. Mahavita vatapaty miisa 4 sy 5 ireo ao anatin’ny herinandro, hoy izy. Ny olona nanao test PCR ihany no voalaza amin’ireny hoe maty amin’ny haino aman-jery ireny. Io no entina hampandry adrisa ny vahoaka hilazana fa voafehy ny aretina. Ny tena hamantarana fa voafehy anefa io dia ny fanaovana fitiliana maro ihany. Fitiliana miisa 5000, ohatra, ho an’ny boriboritany iray. 20 isa ve no hatao fitiliana anaty boriboritany 1 dia 1 ihany koa, ohatra, no hita fa marary dia hilazana fa voafehy ve izany? Tena mamita-bahoaka ity fitondrana ity, hoy hatrany ny depiote Emilien Ramboasalama. Raha ny tenany no fitahany tsy maninona fa ilay vahoaka nifidy azy kosa tsy mety. Governemanta tsy mahavaha olana sy fifanomezan-tsiny ary fifanipazam-baolana ity governemanta ity, hoy izy, ary izay no hiverenako amin’ilay hoe fiaikena tsy fahombiazana iny kabarin’ny filoha iny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT