Politique

Elysée Ratsiraka “Tsy mitombina ny fanenjehana ahy”


  • Alakamisy 02 Mey 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina Atoa Elysée Ratsiraka manoloana ny fitorian’ny prefektioran’i Toamasina azy ho nanao “abandon de poste” nefa tsy nanao famindram-pahefana tamin’olon-kafa sady tsy naka mpisolo toerana.

 

Araka ny fanazavany anefa dia efa nangataka ny hevitry ny CENI ny tenany ny amin’izay tokony hataony noho izy anisan’ny kandida hilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao anatin’ny distrikan’i Mahanoro. Valin-teny azony tamin’izany ny tokony hakana “autorisation d’absence exceptionnelle” izay efa vitany soa aman-tsara, narahin’ny fanendrena an’Atoa Rakotomalala George lefiny voalohany izay misolo toerana vonjimaika azy ary tompon’andraikitra iray miandraikitra ny lafiny ara-bola.  Efa ny sonian’ity lefitry ny Ben’ny tanàna voalohany ity no niasa nandritra ny fandraisam-bolan’ny mpiasan’ny kaominina farany teo, hoy Atoa Elysée Ratsiraka, izay midika fa ara-dalàna matoa neken’ny tahirim-bolam-panjakana. Efa nankato ity fahazoan-dalana hijanona manokana hijanona io ihany koa ny  sekretera jeneraly eo anivon’ny prefektiora raha ny nambarany ary niteny fa loharano tokony higoka ny tombontsoa amin’izany ny Ben’ny tanàna rehetra manerana ny Nosy hilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka. Ny mahavariana anefa hoy izy dia mbola notorian’ny prefektiora teny anivon’ny tribonaly administrative ihany ny tenako ary mangataka ny hanoloana ho PDS ny Ben’ny tanànan’i Toamasina I izy ireo izay tsy fahefany akory, fa fahefan’ny minisiteran’ny atitany. Efa nisy moa ny fampiakarana ho amin’ny ambaratonga momba ity fitoriana azy nataon’Atoa Elysée Ratsiraka ity raha tamin’ny alalan’ny mailaka tonga tany aminy  ihany koa no nahafantarany ny zava-misy rehetra. Tsiahivina fa fampiatoana ity Ben’ny tanànan’i Toamasina I ity amin’ny asany no tena tanjon’ilay fitoriana raha tokony ho afaka mandray ara-dalàna ny asany izy aorian’ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina ny 27 mey ho avy izao.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT