Politique

Eliana Bezaza “Nidina be ny fahaleovantena ara-toekarentsika”


  • Alakamisy 23 Jona 2022

Tahaka ny tovolahy iray feno 18 taona anaty tokantrano iray ny resaka fahaleovantena eto Madagasikara, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko politika PSD, Eliana Bezaza.

Lazaina fa afaka mifidy nefa mbola mipetraka any amin’I Papa sy I Mama, hoy izy. Tsy mahavelon-tena. Manam-bady aman-janaka. Mbola I dadabe sy I bebe no miantoka ny rehetra. Mbola I dada sy I neny no miantoka ny sakafo. Tsy mahaleontena izany ary toy izany no fahitako an’I Madagasikara. Ara-taratasy isika mahaleotena kanefa vao mainka nidina be isika na ny fahaleovantena ara-ekonomika. Lasa sanatria andevon’ny firenena hafa sasany nefa isika rehefa tsy manana fahaleovantena ekonomika. Adidin’ny fitondram-panjakana ny miala an’izay zavatra izay ka izahay tsy sasatry ny miteny hoe betsaka ny loharano eto Madagasikara azo ialana amin’io fanafarana solika io fa io no olana voalohany. Ny resaka fambolena, betsaka ny tany azo hivalamparana amin’izany eto. Ingahy Macky Sall, filoham-pirenena ao Senegal, mitotototo mitady sakafo erak’i Okrainina sy Rosia any amin’ny tany miady. Isika nomen’Andriamanitra ny zavatra rehetra hahavitan-tena ara-tsakafo ka adidin’ny fitondram-panjakana ny mikarakara bebe kokoa ny tantsaha hamokatra bebe kokoa sakafo ho an’ny malagasy fa tsy hiankin-doha amin’ny tantsaha avy any Pakistan na Indonezia. Ireny no atao manan-karena fa ny antsika ampahantrana foana. Jereo ny fanamboaran-dalana hahafaha-mamoaka vokatra sy ny lafiny fandriampahalemana fa izany no manakana ny mpampiasa vola tsy ho avy eto. Satria tsy ho araky ny fanjakana ny hiantoka fandriampahalemana sy fananan’asa eto dia averinay foana ny vahaolana hoe fanjakana rejionaly na “Etat régional”, hoy hatrany I Eliana Bezaza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT