Politique

Eliana Bezaza “Fitsinjaram-pahefana tsy misy no anton’izao”


  • Zoma 21 Janoary 2022

Natao hamaly ny filana fototry ny olona ny fitondrana dia ny kibo, ny fitafiana, ny fianarana, ny fahasalamana, ny fonenana, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko politika PSD, Eliana Bezaza.

 Rehefa tsy voky ny kibo, hoy izy, ny kere manao ny ataony fa mihanaka eran’I Madagasikara satria ny 2019 fotsiny isika no nahazo tarehimarika hoe 35%n’ny zaza Malagasy no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarika fahasembanana. Ny dikan’izany dia ny malagasy ho lehibe atsy ho atsy dia ho sembana ny atsasa-manilany. Tokony hifantoka bebe kokoa amin’ny sakafo sy fahasalaman’ny ankizy, noho izany. Raha tsy hilaza fotsiny koa ny fitsoahan-daharana an-tsekoly noho ny fihibohana. Lasa misy elanelana be ny ankizy aty an-drenivohitra izay misy aterineto sy ny karazany sy ny any ambanivohitra izay tsy nisy izany resaka Covid 19 izany akory nefa tsy nampianarina toy ny rehetra. Ho baben’ny fiarahamonina indray izany ny olona sady ho bado no tsy an’asa. Vao miha loza ny kalitaon’ny fiarahamonina Malagasy. Izao indray izao ny toeram-ponenana izay matetika aty an-drenivohitra satria aty no misy ireo lakan-drano tsy maharaka. Mivangongo aty daholo tsinona ny fahefana sy ny vola rehetra ka izay akaikaiky an’io fahefana sy vola io ihany no mahazo tombony ho antsika Malagasy. Antony mahatonga ny any ambanivohitra rehetra miakatra. Aty no ahitany sakafo, vola, asa. Vokatry ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana io. Tokony hampiakarina daholo ny tetibola mikasika ny fitsinjaram-pahefana aloha, voalohany indrindra. Na io tohamboivoy io aza vokatry ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana. Raha olona miisa 800.000 no tokony hipetraka eto Antananarivo, raha ny kajy momba ny fotodrafitrasa misy eto dia 3.000.000 izy izao. Ekena fa tsy maintsy atao ny fanabeazana maha olompirenena fa tsy dia ilay vahoaka voretra no mahatonga an’io fa ilay fivangongoan’olona be loatra tsy zakan’ilay fotodrafitrasa misy. Rehefa mivangongo tsy misy hanariana intsony ny daba-pako misy eo dia tsy maintsy mitady lalana hafa hanariana ny fakony ilay vahoaka, hoy hatrany ny tenany. Adisoan’ny fitondrana tanteraka ny tsy ahitana vahaolana amin’izany sy ny tsy ampiharana ny fitsinjaram-pahefana satria Fitsinjaram-pahefana tsy misy daholo no anton’izao, hoy izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Eliana Bezaza
  • Alakamisy 04 Jona 2026

"Miverina amin’ny fototra niorenany ny Repoblika"

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT