Resy tena resy, tsy vitan'ny hoe resin'ny aretina fa resin'ny tsy fananana. Resin'ny tsy fiasana sy ny tsy fidiram-bola izahay vahoaka, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika PSD, Eliana Bezaza, naneho hevitra amin’ny maha olom-pirenena azy.
Aoka mba ajanona amin'izay ity fihibohana ity fa tsy voaantokareo ny karaman'ny mpiasanay. Tsy ianareo no iantefan'ny tarainan'ny vady aman-janak'izy ireo fa foana ny vilia sy ny vilany. Gonim-bary iray sy menaka tsara hoan'izay mahazo fa tsy vahaolana amin'ny saribao, kabaka, indrindra ny hofan-trano tsy voaloa. Aiza no misy trano ipetrahan'ireo traboinan'ny coronavirus voaroaka amin'ny trano? Ny zaza hanala CEPE tsy misy trano, tsy misy fitaovana. Efa tena enjana izy ity ka ajanony ny fihibohana. Tsy mangataka vatsy ny olona fa mangataka avela hitady vola. Efa dimy volana izahay nianarana “geste barriere” sy Arotava ka efa hay ny mampihatra izany! Nefa na misy na tsy misy “déconfinement” dia efa “mi-déconfiner” no hainay satria ny aina tsy avela ho faty na coronavirus na hanoanana dia faty iray foana ka samy tsy ilaina, hoy hatrany izy. Ianareo tsy hanefa na parata. Tsy manome vahaolana mahafa-po nefa manakana anay hitady vola sy hihinana ary tsy miraharaha ny fijalianay. Azafady aminareo fa na tianareo na tsy tianareo, izahay tsy maintsy manavo-tena amin'ny faty faobe vokatry ny mosary, rarintsaina, tsy fandriampahalemana, trosa sy fifandrafesana, poizina iainana ato amin'ny fiarahamonina ambonin'ny tsy fahasalamana. Na ny fanafody lazainareo fa bojo aza tsy marina fa vidiana. Soa ihany fa mbola mandaitra ny evoka. Asakasak’izay ataonareo fa ajanony ny famonoagna an-kolaka ny vahoaka, hoy hatrany Eliana Bezaza.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.