Politique

Eliace Ralaiarimanana “Miaina anaty fampanantenana rivotra ny firenena”


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Miantso ny feon’ny fiheritreretan'ny mpitondra manoloana izao fahavoazana lalina tsy hay refesina mahazo an'i Madagasikara izao, hoy ny mpanao politika Kristianina, Eliace Ralaiarimanana.

Ny fotoana tsy miverina fa mivarina, hoy izy. Raha mbola misy fotoana laniana amin'ny zavatra tsy mahasoa dia miheritrereta hanaovana zavatra tsara ho an'ny vahoaka sy ny tanindrazana! Ny adidy izay nekenao dia vitao ary ny velirano izay nampanantenainao dia tanterao! Izay laharam-pahamehana mahasoa ny vahoaka himasoana. Ry Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana, ambarako etoana fa izaho Eliace Ralaiarimanana dia tsy mpikarama an'ady politika fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra ary izao no fotoana anirahan'Andriamanitra ahy hanangana sy hanorina fiarahamonina mirindra eto amin'ity firenena malalantsika ity. Fahamarinana no mampisondrotra ny firenena ary fahavononana ny hanompo no fitiavana ny mpiara-belona. Vahoaka miadana no tanjoko. Firenena tony sy milamina no himasoana. Fanahy mahery feno fahatokiana an'Andriamanitra no hanavotana an'i Madagasikara. Sarotra ny hijery fotsiny ity firenena ity miaina ao anaty fampanantenana rivotra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT