Satria tokoa mantsy tokanana androany (TTF: ny sabotsy teo) ny Kianja Barea dia nofoanana eto amin'ny tany repoblikanina ny hamehana ara-pahasalamana
satria matahotra sao tsy ho feno kianja ka na dia mbola misaodisaody aza ny aretina dia habanaka ihany, hoy ny kandida ben’ny tananan’Antananarivo teo aloha, Eliace Ralaiarimanana. Izany no midika, hoy izy, fa mbola manjaka hatrany ny fitiavan-tena, tsy misy finiavana sy fiahiana ny mpiaram-belona na dia kely aza. Hita taratra hatrany ny maha DJ ny mpitarika ka tsy mahalala afa-tsy ny mahafinaritra, tsy misy fieritreretana izay mahasoa ny vahoaka malagasy na dia kely aza. Firenena efa gisitry ny fahantrana. Ny ankabeazan’ny vahoaka Malagasy miady amin'ny hanohanana, ny sosialim-bahoaka lazaina fa ho vahana ao anatiny 3 andro. Mandrak'ity ny androany tsy hita. Mba jereo ny vahoaka, saino ny efa lasa, diniho ny hoavy, saino izay mbola tokony atao fa ny vahoaka fasika. Andrao hanahirana, hoy hatrany ity kandida ben’ny tanànan’Antananarivo farany teo ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.