Politique

Elia Ravelomanantsoa “Tsy kandida aho”


  • Zoma 09 Novambra 2012

Rtoa Elia Ravelomanantsoa, minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka ao amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena sady filoha nasionalin’ny antoko Madagasikarantsika no vahinin’ny SOKELA anio. Maneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny, ny fifidianana ary koa ny laharampahamehana amin’ny departemanta sahaniny izy.

 Tia Tanindrazana (T.T) : Anaty tetezamita ny firenena, fampandehanan-draharaha no asan’ny governemanta, izay koa ve no ato amin’ity ministera tantaninao ity ? 

Elia Ravelomanantsoa (E.R) : Tsara ihany ny mahampahatsiahy fa tamin’ny 2005 isika no efa manana politika nasionalin’ny kolontsaina, ary efa lalàna izy io. Raha tonga tato izahay dia nijery avy hatrany ny fanohizana ny asa. Ao anatin’ny tetezamita anefa isika, ka dia namaritra paikady telo hotanterahana ao anatin’ny fotoana fohy niainga avy amin’io politikan’ny kolontsaina io ny ministera. Eo ny fikirakirana ny vakoka sy kolontsaina mba ho angovo iray matanjaka fanoitran’ny fampandrosoana. Misy koa ny ataonay hoe Ministera mitrotro ny fanahy mahaolona ary ny fahatelo dia ny fanadiovana hametrahana ny fahaizamitantana. Lalàna sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena ankatoavintsika no resaka eto.

T.T : Ny krizy ve tsy mampihisatra ny fanatanterahana izany zavatra nofaritanareo izany, ny fifidianana rahateo no tokony ho laharampahamehana sy ifantoan’ny asan’ny tetezamita ?
E.R :
Tamin’ny fotoana niantsoana anay handray anjara ato amin’ny governemanta firaisam-pirenena, dia efa lany teo anivon’ny Parlemanta ny tetibolam-panjakana taona 2012. Mpikambana tao amin’ny CST nandinika io tetibola io aho tamin’ny fotoana niantsoana ahy, ka efa fantatro mialoha ny zavatra miandry. Noho izay zavatra izay, no tsy nanoritanay afa-tsy ireo paikady telo niainga avy amin’ny politika nasionalin’ny kolontsaina ireo ho laharampahamehana. Fanoitra ihany ny tetibola fa novelarina ny fomba fiasa, dia ny 3P, mba ho afaka miroso bebe kokoa amin’ny fandraharahana ara-kolontsaina ireo federasiona taranja ao anatin’ny zavakanto. Ny iriana dia ny hahatonga ny Malagasy hiraiki-po amin’ny vakoka ananany, indrindra amin’ny kolontsaina maha Malagasy azy.

T.T : Misy anefa sokajin’olona ataon’ny ministera ambohopefy. Nanao zaikabe nasionaly tany Nosy Be izao ny federasionan’ny Ampanjaka, Tangalamena, mpitahiry fombandrazana na FCRTM ary nahatsiao ho ankilabao nefa mpandray anjara amin’ny fiarovana ny vakoka ?
E.R :
Ny fikambanana rehetra na zanak’Andriana, na zanaka Hova, na zanak’Andevo na iza, dia mandray anjara tanteraka avokoa izy ireny. Tsapa anefa fa maro ny zavatra mifangaro voraka, ka anjaran’ny ministera ny miezaka mametraka ny hasin’ny tsirairay amin’ny maha izy azy, satria ny ministera dia mandrindra ary miahy. Ny zavatra tianay ho tsapan’ny Malagasy, dia ny hoe : ny Repoblika dia tsy toy ny tamin’ny andron’ny Mpanjaka, izay sady raiamandreny no mitantana. Tsy mitovy mihisy ny hoe fanjakana raiamandreny sy ny fitantanana ny firenena miaina amin’ny tolotanana avy amin’ny zanaky ny firenena. Misy tokoa Ampanjaka tezitra tonga aty aminay hoe : nahoana ianareo no tsy mba mikarakara zomba ? Tsotra ny anay, tahaka ny tsy hikarakarako ny fiangonana, no tsy ikarakarako ny zavatra miankina kokoa amin’ny «cultuel», izany hoe ivavahana, iantsoana an’Anjanahary sy ny Razana. Ny andraikitray ministera dia mijanona eo ambavahadin’ny Zomba fa tsy afaka mihitsy izahay hiditra na hitsabaka amin’izay sehatra izay. Nefa kosa raha miteny ny olona amin’ireny fiangonana ireny hoe atao vako-pirenana ny fiangonany, dia miditra ny ministera satria misy sivilizasiona izany ao anatiny ao. Mikasika ny tany Nosy-Be indray dia ny ministera no nanome sy nanao sonia ireo diplaoma rehetra nozaraina tamin’ny mpizaika tany ary koa nanome alalana.

T.T : Indram-bava mikasika ny Rovan’i Manjakamiadana, miato amin’io endriny ankehitriny io ve ny asa, matoa nosokafana ho azon’ny besinimaro tsidihana indray ?
E.R :
Ny 6 novambra 1995 no may kila hotohoton’ny afo ny Rovan’i Manjakamiadana. Taty amin’ny taona 2004, no tena nisy fanapahan-kevitra hanarenana azy io indray, ka 25 miliara Ariary no notadiavina. Nizara efatra ny asa. Vita ny ampahany roa voalohany, izay tena asa goavana nanaovana ny fototra ny fananganana ny rafi-bato mipaka hatrany amin’ny fanafoana. Nihatona nandritra ny telo taona ny asa hatramin’ny 2009, nofoanana niaraka tamin’izay koa ny Conseil National du Patrimoine (CNP). Tsy voaloa karama nandritra ny telo taona ireo mpiambina teny, toy izany koa ny orinasa Colas nanao ny asa. Nandresy lahatra ny governemanta izahay hamerenana indray ny CNP. Efa naloa koa izao ny ambin-karaman’ireo mpiambina teny sy ny trosan’ny Colas. Koa satria ny fifidianana no laharampahamehan’ny tetezamita, dia tsy afaka nahazo fampiasam-bola hanaovana asa fanorenana. Rehefa izay dia novohaina indray ny Rova, dia ampahalalana sy hazavaina amin’ireo olona efa nanome vola hanarenana ny Rova hoe aiza ho aiza isika izao, inona no asa mbola hatao ? Raha malala-tanana isika dia vitantsiko io.

T.T : Ny amin’ilay brigady ao amin’ny ministeranao io, inona marina no asany, fa toa mahabe resaka indrindra taorian’iny figiazana taolana dinôzôro tany Morondava iny ?
E.R :
Raha ny didim-panjakana nananganana azy dia natao hiady amin’ny piraty na hosoka amin’ny tsanganasan’ny artista, ary koa miaro ny vakoka izay harem-pirenena. Tsarovy fa efa tamin’ny 1982 no efa nisy lalàna fiarovana ny vakoka, saingy goragora ny fampiharana azy ka dia nanjaka ny samy mandeha samy mitady, ary izay no nitarika ny fananganana io brigady io. Mikasika ireo sisan-taolana dinôzôro indray dia efa maro no lasa any ivelany, ary mandravaka ny Mozea maneran-tany. Ny tsy rariny dia ity, ny zanaka Malagasy dia tsy mba manana mozea akory na dia iray aza, nefa eto avokoa no misy ireny vakoka tsy fahita maneran-tany ireny, ka izany no mahatonga anay somary nihenjana. Ekena ny fiaraha-miasa fa ataotsika ao anatin’ny fenitra, mba tsy hisian’ny fanararaotana. Fotoana izao hamerenana amin’ny laoniny izany.

T.T : Ianao dia mpikambana ao amin’ny Escopol, vondrona izay anisan’ny niketrika io sori-dalana io. Araka izay niheveranareo azy ve ny zava-misy fa ny tsikaritra dia tsy saropiaro ianareo, fa nahoana ?
E.R :
Tena ao anatin’ny lalana nihevenay azy saingy ny fiovan’ny toe-tsain’ny mpampihatra azy no tsy noreritreretina. Tsorina fa miankina amin’ny finiavan’ny olombelona mampihatra azy no hampahomby azy io na tsia. Ny tondrozotra dia manery antsika rehetra tsy maintsy miara-miaina eto amin’ity Nosy ity na tiana na tsy tiana, saingy hita ihany fa misy ny malailay fonosana. Raha misy zavatra tsy ifankazahoana, heveriko rariny izany, satria vondrona folo samihafa no mikaon-doha, saingy rehefa vary, izay fototsakafon’ny Malagasy ohatra no resaka na koa fifidianana dia tombontsoa iombonana izay ka na inona na inona tsy itovizan-kevitra dia mila mampandefitra hambopo, fa any amin’ny valabe toy ny Parlemanta mifanasa vangy.

T.T : Sao dia misy zavatra tokony hampiana na hahitsy kosa ny tondrozotra ?
E.R :
Ny hoe ampiana angamba tsy any no fipetrany, fa didy fampiharana isan’andininy no heveriko fa ilaina. Tsy natao hovaina izy io, fa natao hanosika ny rehetra hiara-kikaondoha sy hiara-kieritreritra ny fomba hampiharana azy. Mampianatra antsika Malagasy hahay hijery lavitra koa ny tondrozotra ary koa hahalalan’ny tsirairay ny toerana misy azy, fa tsy lany andro mifampitsikera eto.

T.T : Midika ve izany fa ho tonga any amin’ny datin’ny 8 mey hanaovana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany isika ity ?
E.R :
Raha ny fijerinay azy, indrindra miohatra amin’ny dinika politika niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka farany teo, dia tokony ho vita. Ny mety hanahirana dia ny fampihavanana sy ny resaka amnistia. Nefa miankina amin’ny finiavana eo amintsika Malagasy io, ary eo no miditra ny resaka samy Malagasy.

T.T : Sambany no nahenoana ny Praiminisitra naneho hevitra ampahibemaso nandritra ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny Kongresy hoe : “ni…ni”. Hevitra iraisanareo ao anaty governemanta ve iny ?
E.R :
Tsia ! Ny tamin’ny aprily 2012 fotoana nandinihana ny lalàna momba ny fitsipi-pitondrantenan’ny mpanao politika “Code d’éthique”, dia nanao tolo-kevitra ny Escopol mba tsy hilatsaka amin’ny fifidianana aloha izy efa-mianaka fototry ny krizy, sy ireo nanodinkodim-bolam-pankajana. Nakorahin’ny rehetra izahay tamin’izany. Nandeha anefa ny fotoana, nihodina tany ihany ilay hevitra ary ankehitriny dia tsapa fa maromaro no mivoy izany. Tsaroako raha tamin’ny fotoana nananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena dia nanontany ny hevitro ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer, fa maniry ny handraisako anjara amin’ny governemanta tarihiny izy, nefa sao mbola hilatsaka hofidiana aho. Efa kandida filoham-pirenena rahateo ny tenako tamin’ny 2006, ary hany vehivavy tamin’izay. Nambaranay tamin’izany fa tsy tokony hisy hilatsaka izay mandray anjara amin’ny tetezamita, saingy ny “ni…ni” indray no malaza. Na izay aza dia mbola hamafisiko ny hevitray fa izay mieritreritra hilatsaka amin’ny fifidianana dia tokony hanana “honneteté intellectuelle” tsy handray anjara amin’ny tetezamita mba tsy hisian’ny fanararaotam-pahefana. Efa zava-dehibe amiko ny hoe nisy fotoana nanopoako ny fireneko, mahatsiaro ho nahavita adidy ao ary madio ny eritreritro.

T.T: Izany hoe tsy ho anisan’ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana amin’ny 08 mey 2013 izany ianao na dia omenan’ny lalàna zo hametra-pialana 60 andro alohan’ny latsa-bato aza ?
E.R :
Tsy hilatsaka izaho Elia Ravelomanantsoa !

T.T : Iraisanareo Escopol ve izany fiheveranana izany ?
E.R :
Manana safidy sy ny fomba itantana ny antokony ny tsirairay ao anaty Escopol. Ny MTS izao ao anaty Escopol saingy nilaza fa handray anjara ny filohany. Safidy io ka tsy misy itenenana hoe ny an’ny zatsy no mety ny an’ny zaroa tsy mety.

T.T : Sao kosa mba tahotra hifaninana amin’i Andry Rajoelina satria nanohana azy ianao tamin’ny 2009 ?
E.R :
Tsia velively. Misarika ny sain’ny rehetra hahafantatra ny tantara aho. Tamin’ny 2008 izahay no niditra tao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Henjana ny tsindry nataon’ny filoha Ravalomanana tamin’ny Kaominina tamin’izany, izay tonga hatramin’ireny fanakatonana radio ireny ka nampipoaka ny sarombilany. Teny Ambohijatovo izahay, satria mafy be ny niainanay tao amin’ny Kaominina. Rehefa nanapa-kevitra anefa ireo namana fa hidina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, dia izaho kosa tsy nandeha teny, fa nijanona tao amin’ny Kaominina. Nankinina tamin’ny PDS Michele Ratsivalaka ny fitantanana ny tanàna, izaho koa tany ivelany nisy asa nataoko amin’ny sehatra tsy miankina, dia naleoko nisintaka.

T.T : Hamaranana azy Rtoa minisitra ?
E.R :
Marina fa tsy voatery hitovy ny hevitra, nefa mila miady hevitra isika mba hahafahantsika manana tena safidy rehefa tonga ny fifidianana. Sarobidy loatra ilay fotoan-tsafidy ho tonga eto. Fotoana izao hijerena ny lafitsaran’ny krizy, hianaran’ny Malagasy miara-miaina. Tokony hahatsapa ny Malagasy tsirairay fa samy tompon’andraikitra eto. Jereo ny hamaroan’ny mpilatsaka antsitrapo tany Etazonia nifarimbona tamin’ny fanatontosana sy fandavorariana ny fifidianana filoham-pirenena tany amin-dry zareo farany teo iny. Midika ireny fa zava-dehibe ny fanabeazana ny olom-pirenena. Koa fotoana izao hitsangantsika, hanaporofoana fa tena vonona hanangana Repoblika marina isika.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT