Politique

Elia Rabevahiny “Ny paikady tsy mahombin’ny mpitondra ihany no mahatonga izao”


  • Talata 26 Jolay 2022

Tsy mahagaga ny toe-draharaham-pirenena mafampana ankehitriny, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Otrikafo, Elia Rabevahiny.

Minia tsy mihaino sy miziriziry amina hevi-diso hita fa tsy mahasoa firenena ny fitondram-panjakana, hoy izy. Nisy fidinana an-dalambe nokasaina atao tao amin’ny Magro ny faran’ny herinandro teo. Ireny no niafarany. Tsara foana ny maka lesona tamin’ny lasa. Efa nisy foana izany fisamborana izany tamin’ny fitondram-panjakana nifandimby. Niaraha-nahita ny vokany fa rehefa tonga amin’ny fetra tsy zakan’ny vahoaka dia niongana ihany. Ilana fifampiresahana sy fifampidinihana izao zava-misy ankehitriny izao. Na tiana na tsy tiana dia tsy mahomby ny paikady heverin’ny mpitondra hitantanana ny firenena ka ilana vahaolana. Tsy tokony ho henatra ho azy ny mangataka ny hevitry ny hafa. Tsy ho zakan’ny vahoaka Malagasy raha sanatria ho tonga amina korontana izao zava-misy izao. Ny paikady tsy mahombin’ny mpitondra ihany no mahatonga izao. Ny rehetra izao no miombona fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ity firenena ity ary tsy manana vahaolana aroso hanatsarana ny fiainam-bahoaka ny fitondrana mijoro nefa betsaka no mandroso soso-kevitra hivoahana amin’izao fahantrana lalina izao, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT