Politique

Elia Rabevahiny “Famoronana asa no vahaolana tsy tandrametaka”


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Vao avy nahatsiaro ny fetin’ny asa dia ny 1 may isika, hoy ny antoko politika Otrikafo omaly. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana,

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, dia ny hampiakarana ny karaman’ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Misy tarehimarika be dia be moa mandeha hoe 5 hatramin’ny 25% no an’ny mpiasam-panjakana. Miodidina eo amin’ny 9,9% ny an’ny tsy miankina. Raha oharina amin’ny vidim-piainana ankehitriny dia na ho akarina 200% aza io tsy hamaha olana loatra. Ny sandam-bolantsika na ny volantsika tsy misy lanjany no tena olana. Ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy no vahaolana maika tokony ataon’ny mpitondra fanjakana. Tsy an’asa ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Ny vahaolana tsara indrindra ho an’ireo vahoaka tsy an’asa ireo ve tsy aleo aloha ny mitady fomba rehetra ahafahana mamorona asa ho an’ireo? Fanapahan-kevitra mamono ny toekarena na “mesure anti-économique” no fahitanay ny raisin’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Tsy hanao afa-tsy hampidangana ny vidim-piainana io. Nisy vola azo indray koa tamin’ireo mpamatsy vola mahazatra nandritry ny dian’ny filoham-pirenena tany Etazonia. Trosa ho baben’ny firenena indray moa izany iny, raha ny marimarina kokoa. Raha izay tonom-bola efa azon’I Madagasikara izay no hahafahana mampandroso ny firenena dia tokony efa ho lasa lavitra isika. Be dia be ny famatsiam-bola efa teto ary ny farany indrindra izao dia ny tamin’ny COVID 19 izay efa ho 1 miliara dolara latsaka kely. Naha be resaka ny fitantanana ireny rehetra ireny. Tsy mampandroso afa-tsy ny toekaren’ilay firenena nampindrana ireny satria miverina aminy amin’ny fomba maro samihafa miodidina ny 80% eo ireny. Efa io moa ilay izy ka dia ilaina noho izany ny fepetra fametrahana rafitra manara-maso ny fampiasana azy ireny mba tsy ho anaovan’ny mpitondra izay tiany fotsiny satria tsy omena bojo ireny. Fepetra tandrametaka hatrany no fahitanay ny raisin’ny fitondram-panjakana hatreto, hoy hatrany ny Otrikafo, nefa io famoronana asa tsy misy io ihany no tena vahaolana.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT