Politique

Ekipan’Ambohitsorohitra Tezitra fa tsy noraharahain’i Toamasina ?


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Roa andro tao Toamasina i Andry Nirina Rajoelina sy ireo ekipan’ny prezidansa afa-tsy Ratsirahonana Lala Norbert, ary ireo minisitra TGV - AVI nanomboka ny propagandin’ny fifidianana 2013.

 Ny andro voalohany, ny zoma tolakandro, tao Tsararivotra Betainaomby misy ny orinasa fanodinana sy fisivanana nikela sy kobalta an’ny tetikasa Ambatovy, no nanomboka ny propagandiny, ka nandroahana mihitsy ny minisitry ny harena ankibon’ny tany na dia nahazo fanasana tamin’Ambatovy aza. Ny praiminisitra lefitra misahana ny indostria sy ny toekarena, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, aza tsy nantsoina tamin’ity raharaha ity fa mety hanelingelina ny dokambarotra politika nataon’izy ireo angamba.

Nitohy ny sabotsy tontolo andro ny propagandin’ny TGV - AVI sy ny prezidansa tao Toamasina, tamin’ny fisantarana ny fanamboarana ny lalana Ambalamanasa – Mahavelona Foulpointe, izay hamboarin’ny orinasa MainLand, araka ny fiaraha-miasa hitan’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain. Ity farany nefa dia tsy navela hiteny akory momba ny asa, ary raha ny fahitan’ny mpitazana ny dia taratry ny ady an-trano eo anivon’ny samy mpiara-dia amin-dRajoelina sy ny samy TGV ny raharaha.

Nitohy tamin’ny fanarenan-dalana tao Tanamakoa ny hetsika natao izay famatsiam-bolan’ny SPAT tamin’ilay ampaham-bola 12 lavitrisa Ariary. Nitohy tao Bazary kely sy Bazary Be amin’ny filazana ny fanarenana sy fanamboarana ireo tsena anisan’ny goavana sy manan-tantara ao Toamasina ireo, ka nilazana fa “tsy misy mpivarotra halana amin’ny toerany izany amin’ny fotoam-panamboarana sy ny fahavitan’ny tsena”, izay vola 25 tapitrisa dolara tamin’Ambatovy no hanaovana ny asa raha ny fantatra. Teo koa ny fijerena ny fanamboaran-dalana eny amoron-dranomasina Bd Ratsimilaho mirefy 1.200m eo. Nandalo anefa ny ekipan’Ambohitsorohitra sy ny TGV ka dia nalana tsy nahazo mivarotra ireo mpivarotra eny amoron-dranomasina na dia nahazo alalana ara-dalàna tamin’ny Kaominina aza. Ampaham-bola tamin’ny SPAT ihany koa no hanamboarana ity ampahan-dalana ity.

Ny tolakandro dia nitohy tao amin’ny lapan’ny tanàna sy ny fanamboarana ny eo anoloany ary ny fefiny, izay famatsiam-bolan’ny SPAT, ny dokambarotra politika ary nofaranana tao amin’ny hopitaly manarapenitra eo an-tokotanin’ny Magro Morafeno izany izay hampitaovana sy hahodina amin’ny vola nomen’ny tetikasa Ambatovy. Tao anatin’izay rehetra izay anefa, dia hita tezitra ihany ny ekipan’Ambohitsorohitra nahita ny tsy firaharahain’ny olona ny fandalovan’ny filohan’ny tetezamita tao Toamasina. Tsy nahasarika olona ireo toerana nalehany rehetra. Anisan’ny nahasosotra ny zanatany koa ny fanilihana ny zanany tamin’ny hetsika rehetra, tsy navela hiteny, ary raha mba niteny aza dia voafetra. Ho hita eo ny tohin’iny dia natao manokana iny…

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT