Ny polisy (an-tanàn-dehibe) sy ny zandary (any ambanivohitra) no mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana raha ny mahazatra. Ankehitriny anefa nahetsika an-tanàn-dehibe ary nalefa amina distrika maro ny miaramila izay manda farany amin’ny fiarovana ny firenena. Tranga izay toa mampiseho fa efa tany miady i Madagasikara.
Mirongatra loatra ny asan-jiolahy ka tsy voafehin’ny polisy sy ny zandary intsony, dia izao miditra an-tsehatra izao ny miaramila vondron-tafika “Zone Rurale Prioritaire de Sécurité” (ZRPS) DELTA miisa 400, efa ho roa volana lasa izay. Miaramila 400 hafa indray alefa any amina faritra vitsivitsy ZRPS. Hiainga any Tsiroanomandidy rahampitso zoma 19 aprily. Jiolahy 70 no efa voasambotra, fa ny tsy fandriampahalemana mitohy foana na misy aza ny vokatra azon’ny mpitandro filaminana. Tany Mahatsinjo, Mampikony, Anjozorobe, Ambatomainty ny toerana voalohany nanaovana ny hetsika (Zone Delta). Efa nisy 400 hafa efa nalefa tany Bekopaka, Ambohimahasoa, Mahabo. Miady amin’ny fakana an-keriny sy ny asan-jiolahy isan-karazany ireto miaramila ireto. Efa azo ny vaovao momba ireo olon-dratsy ary maro ihany koa ny fitaovam-piadiana efa sarona nandritra ny hetsika ZRPS. Miaramila 1000 miaraka amin’ny andian-tafika manokana no aparitaka manerana ny Nosy raha ny fanazavana azo. Misy ifandraisana amin’ny toekarena sy ny sosialy io. Mila manana politika mazava sy mahomby hiatrehana ny tsy fananan’asa, fanamorana ny famoronan’asa sy ny famokarana,… satria rehefa miasa sy mamokatra ny tanora mihena ho azy ny asan-jiolahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.