Mandeha ny fitetezam-paritra ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Mitety ireo faritra misy traboina, mizara zavatra,…
tena manao famoriam-bahoaka manetriketrika mihitsy, tsy misy resaka fepetra sakana ara-pahasalamana izany intsony. Atao fitaovana politika hampalazana tena ny fizarana “Vatsy Tsinjo” sy “Tosika Fameno”. Toy ny tany amin’ny faritra hafa izay nandehany, dia niharihary io tany Anosibe An’ala sy Tanambao Manampotsy ny faran’ny herinandro teo. Taingenana hanaovana propagandy mialohan’ny fotoana ny fizarana fanampiana, ary lasa mpizara an’izany sisa no asan’ny Fanjakana sy ny Filoha, fa izay programam-pampandrosoana sy tena famahana ny olana fototra mahazo ny firenena tsy misy hiraharahian’ny Fitondrana an’izany firy. Ny vina sy programa aza moa telo taona aty aoriana vao nitadiavana manam-pahaizana handrindra ny tokony ho laharam-pahamehana, ary vao hitadiavana mpamatsy vola. Fihazakazahana any amin’ny fampalazana tena toa manao fitaovana ny fahoriam-bahoaka no hita taratra. Rehefa mitrosa sy mindram-bola any ivelany, dia amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, rehefa mizara azy dia voizina mafy fa avy amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Fa volam-bahoaka sy volam-panjakana no ampiasaina amin’ireny sa volan-dRajoelina sy ny Vondrona IRD/MAPAR na koa ny antoko TGV? Eny am-pandehanana eny, mandeha ny fampanantenana isan-karazany hakana ny fom-bahoaka. Hatramin’izay, an-taonany maro ny fitarainana momba ny làlana, ohatra, fa izao vao mody alefa ny fampantenana fa hatao satria akaiky ny fifidianana. Efa tena miseho amin’ny endrika propagandy mialohan’ny fotoana, ka hatao fitaovana amin’izany ny volam-panjakana sy ny volam-bahoaka. Rehefa tena dinihina, lalaovina ny sary hoenti-maneho fa tena manampy sy mitsinjo vahoaka ny Filoha, saingy rehefa tena arahina akaiky, ampahan’olona ihany no tena misitraka na dia efa tena ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka aza ny 90% amin’ny vahoaka Malagasy.
Toky R
Légende: Nandritra ny famoriam-bahoaka tany Anosibe An’ala ny faran’ny herinandro teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.