Mandeha ny ora sy fotoana, ho tapitra ihany ny 5 taona itondran’ny Filoha Andry Rajoelina fa ny veliranony momba ireo Nosy Malagasy nolazaina fa ho azo ary hivoaka mialohan’ny 26 jona 2020 ny fehin-kevitra aloha,
dia naman’ny kabary sy fampanantenana poakaty ara-politika tahaka ny mahazatra. Ny faran’ny taona 2019 no namory olona teny amin’ny CCI Ivato ny filoha Andry Rajoelina izay notronin’ny Filoha teo aloha Amiraly Didier Ratsiraka tamin’izany fotoana. Nisy ny fanambarana fa atao izay hiverenan’ireo nosy rahavavy ka mialohan’ny 26 jona 2020 no hanaovana izany rehetra izany. Efa higadona indray ny 26 jona 2022, fa ilay fampanantenana kosa mitovy amin’ilay hoe: efa any anaty sambo ny tramway, hanangana ozinina mpamokatra simenitra goavana indrindra aty Afrika,… izay kabary efa hatramin’ny tetezamita. Henjana ny valin-teny natao tamin’ireo mpanao gazety Frantsay ny volana may 2020 nilazana fa tsy mila fiaraha-mitantana fa famerenana no takiana. Norangitin’i Emmanuel Macron izay nandeha tatsy amin’ny Nosy Glorieuses fotoana fohy taorian’io, ka nanaovany ilay fehezan-teny nalaza hoe: “Ici c’est la France”. Tsy sahy namaly izany ny fitondrana Malagasy, kisehoseho ivelany ny fiaraha-nisotro CVO teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny fotoan’androny nataon’ireo depiote IRD niara-niredona ny “Madagasikara tanindrazanay” nanohana sy nandoka ny tenin’ny Filoha fa fitakiana fa tsy fiaraha-mitantana, kanefa tsy sahy nanolotra akory na volavolan-dalàna iray mametraka ireo nosintsika ho isan’ny faritr’i Madagasikara na nisy aza ny tolo-kevitra samihafa. Tsy nisy na didim-panjakana iray monja momba ireo nosintsika nataon’ny Fitondrana Rajoelina izay midika fa fampalazana tena no tena natao. Ny septambra 2021 tany amin’ny fivorian’ny Firenena Mikambana tany New York moa, dia nitsotra i Andry Rajoelina, fa "tsy manan-kery, na fitaovam-piadiana, ary tsy mikasa hanangana ady izahay, fa finoana sy fandehanana amin'ny ara-dalàna no fitaovana no entinay angatahana ny famerenana ireo Nosy Rahavavy”. Nangina tsy re tsaika firy intsony ny raharaha Nosy Malagasy, na ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha izay isan’ireo nitarika ny delegasionina Malagasy tamin’ny adihevitra niarahana tamin’ny Frantsay aza moa efa tsy ao anaty fitondrana intsony. Etsy andaniny, toa noraviravizin’ny Frantsay 151 tapitrisa euros hanamboarana teleferika eto Antananarivo izay mbola trosa ny ankabetsahany ny Fitondrana dia toa nipirina. Atao mahagaga ve raha niniana nampanginina ity resaka Îles Eparses ity? Nihomehezan’Atoa Andry Rajoelina ny mpifaninana taminy Atoa Marc Ravalomanana raha nilaza fa mila manana tanjaka ara-toekarena aloha isika afaka ny hiady ireo Nosy saingy ny an’ny ankilany natao fitaovana hahazoana vaton’ny mpifidy io saingy aiza izany ankehitriny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.