Politique

Edouard Tsarahame “Tafahoatra ny fanandevozana ao Nosy be”


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Tafahoatra ny fanandevozana ao Nosy be nefa tsy nifidy mpanjaka isika, hoy ny mpitondra tenin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Edouard Tsarahame.

Misy zavatra mampalahelo ahy izay tsy zakako ny tsy hilaza azy ity, hoy izy. Ity misy zazakely ity amin’ny sary ity. Nigadra ny reniny. Tsy afa-mihetsika ity zaza ity fa io matory eo ihany no ataony, hoy hatrany izy naneho an-tsary ny zava-misy tetsy Bel’air omaly. Tsy misy mpikarakara izy io amin’izao. Tsy haiko na ho taitra ny “association Fitia” hitaiza azy. Raha mbola miasa izy dia hoy izahay hoe vonjeo haingana ity zaza ity fa tena mampalahelo ny manjo azy. Raha maninomaninona io dia ho hitantsika eo ny tohiny fa tsy ho ekenay. Mangataka ireo Zafinifotsy nogadraina ao Nosy be izahay mba ho avoaka tsy misy fepetra fa fanagadrana politika no nanjo azy. Matoky anareo mpitsara izahay fa hihaino anay. Raha tsy hihaino moa ianareo dia ho hitantsika ny tohiny, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT