Politique

Edgard Razafindravahy Efa manomana ny fifidianana Ben’ny tanŕna


  • Alakamisy 25 Novambra 2010

Manova fomba fiasa ny PDS-n’Antananarivo, Edgard Razafindravahy. Manomboka izao dia hidina ifotony eny anivon’ny Fokontany hifampitafa mivantana amin’ny vahoaka momba ny fahoriany sy ny faniriany ny tenany miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy.

Ny fihaonana mivantana tamin’ny mponina Ampefiloha Cité teo anivon’ny CEG Ampefiloha no nisantarany izany omaly tolakandro. Nisy ny fihainoan’ingahy PDS ny vahoaka tamin’ny tapany voalohany ka nitarainan’izy ireo ny tsy fahampian’ny trano fivoahana ao ka mahatonga ny diky mameno ny tanàna, indrindra ny manamorona ny lalamby. Ao koa ny fangatahana fanazavana ireo elakelan-trano, ny fanampiana ny isan’ny zaridaina sy ny fampidiram-bola amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara. Nisy tamin’ireo no novalian’ny filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo avy hatrany toy ny fananganana trano fivoahana iray, ny fandiovana ireo lakandrano sy ny fanatsarana ny zaridaina, ny fananganana kianja filalaovana tsipy kanetibe ary ny fanolorana lelavola iray tapitrisa ariary ho an’ny zokiolona hatao solombodiakoho azy ireo amin’ny taombaovao. Raha ny fahitana azy dia efa manomana ny fifidianana Ben’ny tanàna ingahy PDS amin’ny alalan’ny fakana ny fon’ny mpifidy. Mbola hitety ireo Fokontany 191 ambiny rahateo ny tenany. Na dia tsy mbola fantatra aza moa ny daty hanatontosana ity fifidianana ity dia azo antoka fa tsy ho ela intsony izany ka aleo maka fiaingana mialoha. 

Légende: Edgard Razafindravahy, PDS-n’Antananarivo miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT