Tazana nanome voninahitra ny lanonam-pitokanana ny hopitaly manara-penitra notarihin’i Andry Rajoelina teny Andohatapenaka omaly i Edgard Razafindravahy. Ny fahitana azy niseho vahoaka teny dia mandiso ireo filazana sy resabe samihafa niely fa “tapaka lalan-dra”, “marary” … i Edgard Razafindravahy rehefa tsy lany filoham-pirenena. Kandida ofisialin’ny TGV, nankatoavina nandritra ny kongresin’ny antoko teny Andranomena tamin’ny aprily 2013 i Edgard Razafindravahy. Ao anatin’ny vanim-potoana mampafana ny adihevitra ny amin’izay olona mety ho praiminisitra izy no nipoitra. Nisafidy ny hangina tsy naneho hevitra politika anefa ny tenany raha nanontanian’ny mpanao gazety.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.