Ecran plat, bonbon sucette, volamena, CNaPS… Mitaky ny hivoahan’ny marina ny KMF

CNOE


  • Talata 05 Aprily 2022

Namoaka ny fomba fiijeriny mikasika ny raharaham-pirenena ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olom=pirenena, izay nitsinjara tamina teboka maromaro.

 Ny lafiny fangaraharan'ny fitantanana sy ny fanjakana tsara tan-tantana ary ny tany tan-dalàna, nolazain’io firaisamonim-pirenena io, misy ny finiavana hita eo amin'ny fitondram-panjakana amin'ny fametrahana ny tany tan- dalana, raha tarafina tamin’ny fanapahan-kevitra tamin'ny fanekena ny fametraham-pialan'ny ministry ny fitsarana izay misy raharaha mahakasika azy niparitaka tamin'ny tambanjotra sosialy ary fantatra fa efa eo am-pelatanan'ny fitsarana izany. Safosafo miaro felaka anefa satria nohitsian’ny KMF/CNOE ihany koa fa mbola tsy ahitam-baliny ankehitriny ary toa zary nangina aza ny mikasika ireo raharaha tranga fanodikodinam-bolam-bahoaka toa ny resaka « écrant plat », « bonbon sucette », fanondranana antsokosoko ireo harem-pirenena toy ireo volamena tratra tatsy Afrika atsimo sy tatsy amin'ny nosy kaomoro. Nisy ny fanadihadiana ary nisy ihany koa ny raharaham-pitsarana izay nisokatra momba azy ireny fa toa very anjavony, hoy ny fanamarihana, izay naneho fa mila mahafantatra ny marina ny olom-pirenena tsirairay,… Manoloana ireo raharaha izay mahavoarohirohy tompon'andraiki-panjakana ambony maro izay anjaran'ny HCJ (Haute Cour de Justice) kosa ny ny fitsarana azy, dia miantso ireo solombavambahoaka tsy hiray tsikombakomba ny KMF/CNOE. Hita taratra fa mikatso tanteraka ny fandinihana ny antontan-taratasy tonga eo anivon'ny antenimieram-pirenena mahakasika ireo mpitondra teo aloha sy ireo mpitondra ankehitriny, hoy ny fanamarihana, izay nanipika fa manome vahana ny tsy fitovian'ny rehetra eo anatrehan'ny lalàna sy ny fisian'ny« tsy maty manota » izany. Ny raharaha eo anivon'ny CNaPS, volan'ireo mpiasa sy mpampiasa izay mandoa latsak'emboka isam-bolana no ao anatin'izy io. Efa misy ireo olona izay nohadihadiana sy nalefa vonjimaika any am-ponja…. Matetika anefa dia lasa fombafomba fotsiny izany fa very anjavony ny tohiny. Tahaka izany ihany koa ny raharaha fitantanana ny volan’ny coronavirus, izay efa nanaovan’ny Fitsarana momba ny kaonty ampahana tatitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT