Politique

Durlin Retogniane “Tsy fananganana ozinina ihany no “industrialisation””


  • Talata 16 Aogositra 2022

Zava-dehibe ary reharehan’ny firenena ny fananana filoham-pirenena nahazo amboara tahaka ireny azon’ny filohantsika tany Vienne, Autriche, ireny, hoy ny mpanao politika, Durlin Retogniane.

Tena afaka mirehareha tokoa ve isika amin’ilay mari-pankasitrahana nefa, hoy izy? Sao ilay filoham-pirenena nomena ilay marim-pankasitrahana ihany no afaka manao an’izay? Tsy fananganana ilay ozinina ihany no antsoina hoe “industrialisation”. Misy asa miaraka aminy ao ambadiky ny fananganana sy fanorenana ireny ozinina ireny. Betsaka anefa ireo tsy an’asa eto Madagasikara ary sahirana ny olona amin’ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mitsaha-mitombo noho ny olana maro samihafa tahaka ny fidangan’ny vidin-tsolika. Mila famoronana asa be dia be ao ambadik’izany ka raha misy 107 ilay indostria hoe natsangan’ny filoham-pirenena dia mba tiako ho fantarina hoe firy ny asa noforonin’izany orinasa miisa 107 izany teto Madagasikara? Sarotra ny hampiditra izany Madagasikara izany amin’ny “industrialisation” ka mila miara-miaiky ny rehetra amin’ny maha samihafa ny fomba fijerin’ny olona ny zava-misy eto Madagasikara. Misy mpitondra ve eto amin’ny firenena satria matetika hafa ny voalazan’ny tomponandraiki-panjakana nefa hafa ny zava-misy. Sao dia ny tsy fahaizantsika mifehy ny fandraharahana eto amintsika no mahatonga izao zava-misy izao? Vao tsy ela akory izay no be dia be ireo faritra saika tsy nahitana solika teto Madagasikara. Hafa ny lazain’ny mpitondra nefa hafa ny zava-misy ary ny vahoaka tsy adala ka tsy hahay handinika ny voalazan’ny andaniny sy ankilany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT