Misafotofoto be izao ny raharaham-pirenena tao aorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.
Misy ny olana amin’ny resaka fanabeazana, fitaterana, vidin-javatra eny an-tsena, delestazy, tsy fandriampahalemana, hoy izy. Marary ny olona ny lafiny sosialy. Taratry ny olana ara-ekonomika iarahantsika mahalala amin’izao fotoana izao izany olana ara-tsosialy izany amin’ny alalan’ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Misy tandrevaka avy amin’ny mpitondra koa anefa satria adidiny mandrakariva ny mitady vahaolana amin’ireo olana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. Tsy misy afa-tsy ny ataontsika hoe fakan-kevitra amin’ny hery rehetra eto amin’ny firenena no vahaolana amin’izany rehetra izany. Tsy voatery ho hery politika fa eo koa ireo hery ara-ekonomika satria be dia be ireo mpahaitoekarena Malagasy eto an-tanindrazana. Afaka mandray anjara ireo hijery hoe ahoana no hahafahantsika miatrika ny olana ara-toekarena eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao fotoana izao? Mety azo heritreretina izany hoe banky ropotra ve ankehitriny ny fanjakana? Izay no ilana fitadiavana hevitra ahoana no hahafantsika mampiditra vola vahiny betsaka eto amin’ny tany sy ny firenena satria rehefa mihena ny vola vahiny miditra dia mihena ny sandam-bolantsika ary mihena koa ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Tsy zakany intsony avy eo ilay fiainana. Izay no tokony hanaovana antsoavo ny herivelona rehetra hiaraka hitady vahaolana fa tsy sanatria hifantoka bebe kokoa amin’ny valifaty politika. Raha tsy voavaha alohan’ny fifidianana izao dia vao mainka ho loza aorian’ny taona 2023. Ataoko fa tsy ho zakan’ny vahoaka Malagasy izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.