Politique

Durlin Retogniane “Hita taratra amin’ny sehatra rehetra ny tsy fisian’ny fitondrana ”


  • Alarobia 29 Jona 2022

Ny maha mpitondra ny mpitondra iray dia ny fitadiavany hatrany vahaolana mikasika ny olana mianjady amina firenena iray, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.

Voaresaka ny hoe nanjavona ny volamena, nanjavona ny solika, tsy hita ny jiro, efa sasatra ny rano. Tafiditra anaty tontolo politika iainantsika ankehitriny izany, hoy izy. Misy ny dikan’izany ny antsoina hoe “absence de l’Etat” na tsy fisiana mpitondra. Resahan’ny filoham-pirenena foana ny hoe “présence de l’Etat” na fisian’ny mpitondra nefa hita ankehitriny fa ny mifanohitra amin’izay no misy. Mazava ny tsy fisian’ny atao hoe fanjakana sy mpitondra. Tsy azo heritreretina mihitsy izany hoe anatina biraona minisitra iray no manjavona ny volamena 36 kilao. Eto an-drenivohitr’I Madagasikara ary anatina andrim-panjakana iray isika no miresaka an’izany. Anjaran’ny fanjakana koa ny mijery akaiky ny vidin-tsolika. Misy ny atao hoe “droit de regard” na fanaraha-maso tokony ataony eny amin’ireo tobin-dasantsy mahazatra. Aiza ny fanjakana satria raha vinaniana hiakatra 9000 ariary ny litatry ny lasantsy ary 6000 ny solika dia tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka izany? Hiakatra ny saram-pitaterana nefa ireny no mamatsy entana manerana an’I Madagasikara. Mbola azo itarafana ny tsy fisian’ny fanjakana na mpitondra koa ny tsy fivahan’ny olana amin’ny resaka herinaratra. Nezahana natao nidangana izao ny famatsiam-bola raha ny tetibola nasiam-panitsiana na LFR farany teo. 500 miliara ariary no homena ny JIRAMA dia ho hitantsika eo moa ny tohiny. Vola toko tsy forohana izany ary hiala amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Raha anaty fianakaviana iray izany izao no misy olona miisa 4 mianatra sy miasa atsy ho atsy dia efa 8000 ariary izany no alohan’ny fianakaviana iray mandroso sy miverina. Ny olona manana moto na fiara izany ho sahirana amin’ny vidin-tsolika ary raha hampiasa taxibe koa dia ho sahirana amin’ny saran-dalana ka ahoana izany no hamahan’ny fitondrana izany olana rehetra izany satria dia efa amin’ny sehatra rehetra mihitsy no ahitana taratra ny tsy fisian’ny fitondrana, hoy hatrany i Durlin Retogniane ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT