Ao anatin’ny savaranonandon’ny lalampanorenana Malagasy sy ny andininy faha 168 ny fametrahana ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM)
, Maka Alphonse, nanazava ny antony hoe izao vao heno izany drafitry ny fampihavanam-pirenena izany. Nadika amin’ny teny frantsay hoe “Plan national de réconciliation” moa izy ion a dia tena tsy maha dika azy aza izay. Efa nisy koa ny “feuille de route” lasa lalàna taty aoriana. Nisy ny lalana 2016-037 dia natsangana ny CFM. Efa nisy FFM talohan’io, hoy izy. Ataontsika hoe « cadrage légal » ireo. Lavitra ezaka ny fampihavanam-pirenena. Tsy misy sekoly fianarana izany eto. Izahay tato izany no namolavola hoe ahoana no hampiharana an’io ? Tsy mihevi-tena ho mahay samirery an’io izahay. Na ny baiboly aza efa an-taon-jatony maro no niteny hoe sambatra ny mpampihavana fa izy no atao hoe zanak’Andriamanitra. Samy nanao fampihavanam-pirenena daholo ny olom-boahosotra toy ny mompera sy pasitera. Nitety an’i Madagasikara izahay, raha tsy hiteny afa-tsy ny FFM sy CFM. Nanomboka ny taona 2018. Fivoriana, fampahafantarana ny lalana, indrindra, fanangonan-kevitra isam-paritra no natao. Saika voatety daholo ny manerana ny nosy. Rehefa hitanay fa betsaka ny hevitra azo momba ny fahitan’ny Malagasy ny atao hoe fampihavanam-pirenena dia natambatra sy nikononkonona azy izay vao afaka hamoaka ilay PNR. Ho samihafa ny fampiharana isam-paritra izany, hoy hatrany ny fanazavany, satria samy manana ny ratra ara-tantarany sy kolontsainy ny isam-paritra ary mbola misy zavatra hafa maro ankoatr’izay koa mila jerena. Tsy resaka politika fotsiny no niteraka lonilony sy krizy teto amin’ny firenena. Isan’ny koa ny fitsinjarana harem-pirenena sy fitsinjaram-pahefana ary efa nisy nilaza tamiko mihitsy, hoy izy, fa hoe tsy hihavana satria tsy mampihavana ny zara vilana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.