Politique

Dr Tomaz Augusto Salomăo “Mandrakizay eo amin’ny fitondrana no tadiavin’i Andry Rajoelina”


  • Alakamisy 25 Novambra 2010


“Raha nokarakaraina araka izay voarakitra tao anatin’ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba eo amin’ireo firehana samy hafa iny fitsapan-kevi-bahoaka iny dia tsy nisy ny olana. Ny tena olana mantsy dia nokarakarain’ny governemantan’i Andry Rajoelina samirery ilay fifidianana”, hoy ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny SADC, ny Dr Tomaz Augusto Salomão. Nohamifisin’ity diplaomaty ity fa dia “tsy hankatoavinay iny fitsapan-kevi-bahoaka iny ary efa nilaza izany ny mpanelanelana avy amin’ny SADC ny faran’ny volana oktobra lasa teo”, hoy ihany izy.

Ny sabotsy lasa teo, tany Gaborone, nandritra ny fivoriana tsy ara-potoan’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny SADC, nitokanana ihany koa ny birao vaovaon’ity Vondrona ity tao Gaborone no nilazan’ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny SADC izany. Mbola tena marefo ary tsy mbola voavaha ny krizy eto Madagasikara, araka ny fahitan’ireto vahiny azy. Nambarany koa fa lalàmpanorenana vaovao hametraka ny mpanongam-panjakana eo amin’ny fitondrana mandritry ny fotoana tsy voafetra ny lalàmpanorenana nasaina nofidiana. Na dia teo aza ny ezaka fanelanelanana natao, ny fifanarahana efa vita dia nozimbazimbain’ny HAT avokoa ireny, araka ny fanazavany hatrany. Manoloana izany indrindra dia niantso ny amin’ny tokony hametrahana biraon’ny SADC izay hisahana ny fanelanelanana aty Madagasikara ireo mpizaika tamin’ity fihaonana ity.  

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT