Politique

Dr Simao Mivadibadi-dela koa


  • Alakamisy 18 Oktobra 2012

Araka ny efa nanampoizana azy dia manjavozavo indray ny tena anton-dian'ny iraky ny SADC eto Madagasikara. Mivadibadi-dela ireo mpanelanelana.

 Raha tonga teny Ivato ny alahady 14 oktobra izy ireo dia niteny ny Dr Leonardo Simao fa afaka mody amin'ny tany niaviany ny olom-pirenena tsirairay, ary ho avy ny delegasiona miaramila handinika ny lafiny ara-pilaminana mifandraika amin'ny fodian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny talata dia nilaza indray ny Dr Simao fa tsy mbola mety aloha ny hahatongavan'i Marc Ravalomanana eto Madagasikara amin'izao fotoana satria mety hitarika fifandonana amin'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany izany. Teny Mahazoarivo taorian’ny fihaonany tamin'ny praiminisitra Omer Beriziky no nitrangan'izany. Omaly alarobia indray dia tokony ho nitsidika am-pomba fifanajana ny CMDN tarihan'ny jeneraly Ranto Rabarisoa, teny Analamahitsy ny delegasiona politika tarihan'i Leonardo Simao, ireo delegasiona miaramila indray anefa no nigadona teny ny maraina. Gaga sy talanjona ihany izahay noho ny fifandisoam-potoana, hoy ny filohan'ny CMDN, olon-kafa no nandrasana, hafa anefa no tonga.

Nambaran'ny jeneraly Ranto Rabarisoa fa dia resaka savaranonando fotsiny ny natao io omaly maraina io, fa tsy dia nisy zavatra nivaingana firy, satria tokony ho ny tolakandro manomboka amin'ny 2 ora, vao mivory ny samy miaramila. Mialoha izany rehetra izany dia efa nanao ho avy - tsy ho avy ireto iraky ny SADC ireto, ary rehefa tonga indray dia toa nifanojo tamin'ny fahatongavan'ny filohan'ny COI na Vaomieran'ny ranomasimbe indiana, izay mazava be fa fitaovan'ny Frantsay. Ka ahoana moa no hampisy fitoniana eto, raha toa ka ny mpanelanelana aza, tsy matotra fomba fiasa tahaka izany ? Momba an'Atoa Marc Ravalomanana kosa, dia manao ny politikan'ny mivoaka miditra, raha ny fahitana ireto iraky ny SADC ireto, ny mpitondra tetezamita kosa dia mody fanina amin'io.

Ny avy ao amin'ny ankolafy Ravalomanana moa dia mino sy manantena fa tsy maintsy ho tonga eto i Dada, fa ny daty fotsiny no tsy mbola fantatra mazava. Raha mahavita ny tatitra any amin'ny foiben'ny SADC ny Dr Leonardo Simao afaka herinandro, dia tsy mbola misy mahalala izay zavatra hivoaka eo indray. Fa ny azo antoka aloha dia tsy misy mankasitraka ny hiverenan'ny filoha teo aloha eto sy ny haha kandida azy, ny ampahany betsaka tamin'ireo mpanao politika sy tompon'andraikitra miaramila niresaka tamin-dry Simao sy ny tariny. Raha avy amin'izany no hanaovana ny tatitra, omena ny foiben'ny SADC dia ho tavela any Afrika Atsimo any Atoa Marc Ravalomanana, ary tsy hilamina fa dia hisavorovoro lava eto i Madagasikara ary ahiana ho mafimafy no izao miseho izao ny tsy fandriampahalemana sy ny halatra amin’ny lafiny rehetra miseho eto.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT