Dr Robinson Jean Louis

> “Ho mpanohitra manara-dalŕna sady hanome torohevitra”


  • Alatsinainy 27 Janoary 2014


“Tsy azo lavina fa mpifaninana tamin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina izahay ary nitsipaka hatrany ny fahalaniany. Na izany aza anefa amin’ny maha mpanara-dalàna antsika dia hijoro ho antoko mpanohitra izahay. Tsy hanohitra bontolo fotsiny anefa fa hanohitra amin’ny ara-dalàna sady ho mpanohitra sahy hanome torohevitra ho an’ireo mpitondra mba hampivoatra ny firenena”. Anisan’ny tenin’i Dr Robinson Jean Louis teny Mahamasina ireo, raha tonga nanotrona ny lanonana fianianana sy fametrahana amin’ny toeran’ny filoham-pirenena an’i Hery Rajaonarimampianina izy. Ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana androany (sabotsy) no arahanay ka mahatonga anay hanaiky ny fahalaniany na dia heverinay fa tsy ara-dalàna sady tsy ara-drariny aza izany, hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny antoko AVANA nanohy ny fanazavany. “Tsy tara loatra araka ny hevitry ny sasany izany fa hevitra efa matipaika sady voalanjalanja no tsy famadihana an’iza na iza ihany koa fa fanohizana ny tolona amin’ny endriny hafa fotsiny”, hoy izy namarana ny teniny.

 

 

Nangonin’i Nofy R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT