Taorian’ny nilazan’ny lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, Ravatomanga Roland, tamin’ny alalan’ny haino aman-jery fa tsy mahafa-po azy ireo amin’ny lafiny maro ny vokatry ny fiarahana tamin’i Dr Robinson Jean Louis dia nilaza ity farany ny hanangana vovonana aron’ny demokrasia na Arde. Araka ny fanazavany dia misy antoko sy fikambanana maromaro miara-dia aminy amin’izany. Nilaza moa i Dr Robinson fa tsy misy ady eo aminy sy ny ankolafy Ravalomanana fa ny hevitra no tsy mitovy.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.