Politique

Dr Ratefinanahary Emile “Ho lasan’iny taona 2010 iny ny ratsy rehetra”


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011

Manoloana ireo resaka mifamahofaho sy mampiteraka ady hevitra eto an-toerana dia nitondra ny fomba fijeriny sy ny fanazavany ny Dr Ratefinanahary Emile na i Vazaha.

Ny mikasika ny antoko Tiako i Madagasikara, ny resaka movansy ary ny raharaham-pirenena no itondran’ity tanora Malagasy mila ravinahitra any Frantsa any fanazavana. Ny Tiako i Madagasikara, hoy izy, dia antoko politika mijoro ara-dalàna eto Madagasikara. Manana ny sata sy ny fitsipika anaty mifehy azy. Aminy, ny mpikambana ao dia mila manaraka ireo lalàna, ny rafitra, ny foto-kevitra ijoroan’ny antoko fa tsy izay tian’olon-tokana na vitsy an’isa no atao. Nambarany fa nisy ny filan-kevim-pirenena farany teo izay nifidy an’Atoa Raharinaivo Andrianatoandro hitarika ny antoko sy ireo Birao Politika miaraka aminy izay nanendry an’Atoa Vyvato Rakotovao ho Sekretera Jeneraly.

Mikasika ireo Ankolafy (mouvances) napetraky ny fianakaviam-be iraisam-pirenena hoentina hamahana ny olana teto amin’ny firenena indray dia taritin’olon-tokana, mitondra ny anaran’olona, misy tompony izany na koa hoe fananan’olona. Tsy mijoro ara-dalàna ary tsy manana fitsipika mifehy azy fa izay tian’ilay tompony anaovana azy. Ohatra ny Ankolafy Ravalomanana dia Atoa Marc Ravalomanana no mametraka ny rafitra ary koa manendry ny olona izay tiany hitarika ny ankolafiny.

Nanao dingana lehibe 

Ho an’i Vazaha dia fa efa ao anatin’ny Repoblika faha-4 isika izao. Ny lalàmpanorenana mifehy izany dia efa lany nofidian’ny vahoaka malagasy tamin’ny 17 novambra 2010. Ao anatin’io lalàmpanorenana io ihany koa dia misy andininy vitsivitsy mifehy ny fitondrana tetezamita izay mitondra mandrapahavitan’ireo fifidianana izay hitantana ireo rafi-pitondrana rehetran’ny Repoblika faha-4. Araka ny fifanarahana izay nataon’ny samy Malagasy dia tetezamita iarahana no ajoro ary efa tafatsangana ny rafitra roa dia ny CT sy ny CST. Ny governemanta fiombonam-pirenena sy ny famenoana ny mpikambana ao amin’ny CENI sisa izay inoako fa tsy ho ela intsony dia hiroso isika amin’ireo fifidianana rehetra hametrahan’ny Vahoaka izay tiany hisolotena sy hitantana ny firenena, hoy ihany i Vazaha, izay nisaotra ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny hafatra ho an’ny vahoaka malagasy nataon’izy ireo izay mitondra fahatoniana ho an’ny firenena ary koa mametraka avo ny tombotsoam-pirenena.
 
Midera manokana ny antoko Tiako i Madagasikara, ihany koa ity mpanao politika tanora ity,  tamin’ny fahasahiana nanao dingana lehibe ho fandraisana andraikitra famahana ny krizy teto amin’ny firenena. “Antoko mihaino sy mitsinjo ary akaikin’ny vahoaka tokoa. Izany no mahatonga ny Gasy Tia Tanindrazana hanohana azy”, hoy izy. Manao antso avo ho an’ireo antoko sy fikambanana politika hanaraka izany làlana nodiavin’i TIM izany ny tenany, mba hisian’ny filaminana maharitra eto amin’ny firenena izay antoky ny fampandrosoana tena izy, ka ho lasan’iny taona 2010 iny avokoa ny ratsy rehetra ary ho taona zina ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy ity taona vaovao 2011 ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT