Politique

Dr Ratefinanahary Emile “Fotoanan’ny fifamelana nasionaly faobe izao”


  • Talata 13 Aprily 2010

Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena nefa tsy ahitam-bokatra ho famahana ny krizy sy ny tsaho miha mahazo vahana tato ho ato. Nitondra ny heviny ary nanaiky hamaly ny fanontanian’ny gazety Tia Tanindrazana, ny Dr Ratefinanahary Emile, anisan’ny mpandrindra ny hetsiky ny Gasy Tia Tanindrazana any eoropa any, araka izao manaraka izao.

Tia Tanindrazana (T.T): Nangingina tsy nandrenesam-peo ianareo tato ho ato, inona no antony ?Dr Ratefinanahary Emile (R.E) : Misy ny fotoana itenenana ampahibemaso, misy fotoana ahanginana. Misy ny fotoana iasana mivantana hita maso, misy fotoana iasana mangina. Misy ny fotoana isehoana. Mandritra ireo fotoana rehetra ireo anefa, amin’ny maha olom-pirenena Tia Tanindrazana, dia ny asa izay itadiavana ny vahaolana ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy no tsy maintsy atrehina isan’andro. Asa fa tsy kabary, hoy ny fitenenana, ary ny bainga voavadika no vavolombelon’ny mpiasa. Amin’ny maha aty ampitan-dranomasina anay dia ny mifandraika amin’izay no tena sahanina, izany hoe ny sehatra iraisam-pirenena indrindra indrindra. Ireo vokatra maro mikasika ny famahana ny olana ho an’ny firenena toy ny vondrona iraisan’ny parlemantera, Vondrona Eoropeanina, zon’olombelona, Vondrona Afrikanina, Firenena Mikambana, ary farany teo tamin’ny 26 martsa ka hatramin’ny 01 aprily 2010 dia ny Afrika Karaiba Pasifika-Vondrona Eoropeanina tany Tenerife Espana dia vavolombelon’izany asa natao izany. Tsy ny fiatrehana ny aty ivelany ihany anefa no ataonay fa eo ihany koa ny eto an-tanindrazana izay tena tsy atao ankilabao. Tao ireo fanampiana maro isan-karazany ho an’ireo naratra sy nigadra ary ireo maty nandritra ny krizy, ny fampahafantarana sy ny fanolorana hevitra hamahana ny olana, indrindra ny famolavolana foto-kevitra sy fotodrafitrasa hiatrehana ny aorian’ny krizy. Vao nahavita seminera mikasika izany ny GTT Iraisam-pirenena ny faran’ny herinandro teo tany Poitiers Frantsa. 

T.T : Tapi-dalan-kaleha ve ny mpanao politika, nefa ny firenena ity miha potika ?
R.E : Anisan’ny olana lehibe eto amin’ny firenena ny fomba fanaovana politika eto amintsika. Iaraha-mahalala ny isan’ny Antoko politika (190), tsy misy foto-kevitra mazava ijoroana ka hoentina hampandrosoana ny firenena sy anabeazana ny vahoaka. Ny fidirana sy fanohanana ny fitondrana izay mijoro ary ny fanoherana ny fitondrana dia miankina amin’ny fahazoana toerana eo amin’izany fitondrana izany fa tsy miankina amin’ny foto-kevitra sy ny programa
hoentin’ilay mpitondra. Koa amin’izao fotoana izao dia sarotra amin’izy ireo ny toe-draharaha satria izay tsy nahazo toerana sy voailika tamin’i Marc Ravalomanana no nijapy sy nampirisika an’i Andry Rajoelina hanongam-panjakana. Dia hitantsika indray amin’izao fa efa manomboka misintaka sy mandrahona an’i Andry Rajoelina indray ireo izay niaraka taminy nefa tsy mahazo izay ilainy. Mila fandiovana tanteraka ny rivotra politika sy ny fanaovana politika eto amintsika. Tsy maintsy apetraka ny lalàna mikasika ny antoko politika. Tsy maintsy asiana ny fanofanana ny antoko politika.
 
T.T : Mbola misy fifanatonana sy dinika azo eritreretina ve eo amin’ny ankolafy efatra, amin’ny famahana izao krizy lalim-paka izao ?
R.E : Samy milaza daholo fa noho ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitsinjovana ny vahoaka no antony andraisana andraikitra eto amin’ny firenena, ary ny tombontsoa avon’ny firenena no atao ambony indrindra. Ny vahoaka ihany koa dia mijery sy manara-maso ny fihetsiky ny tsirairay. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa dia fantatsika fa tsy mamela fotsiny amin’izao ity firenena Malagasy ity. Noho izany dia mino aho fa tsy maintsy mifampidinika sy mifanatona ireo ankolafy ireo satria misy ny tapi-dalan-kaleha amin’izao fotoana izao.
 
T.T : Toa mangingina ny firesahana ny Maputo fa mirona any amin’ny fananganana governemanta iraisan’ny sivily sy miaramila ny resaka tato ho ato. Izay tokoa ve no izy ?
R.E : Malaza tokoa tato ho ato fa hisy indray ny haka fahefana na avy amin’ny miaramila io na avy amin’ny sivily na avy amin’izy roa mitambatra. Efa iray taona mahery izay ny krizy teto amintsika. Aoka tsy hatao kilalao ity firenena ity. Efa tsy fidiny amin’ny vahoaka izao mitranga sy mianjady aminy izao. Raha ho fampiharana ny fifanarahana tany Maputo sy Addis-Abéba no vokatr’izany dia arahaba soa, arahaba tsara, fa raha hitondra olana vaovao indray dia hoy aho hoe : “ny an-tratra tsy lavo ka hotakarina indray ny an-dRaiben’ialahy”, tsia tompoko !
 
T.T: Teninao hamaranana ny tafatafa ?
R.E : Eto aho dia misintona ny saintsika rehetra, ireo izay manam-panahy : “ny fanahy no maha olona”. Isika mpanao politika, miaramila, mpitondra fivavahana, fiarahamonim-pirenena, ny vahoaka Malagasy rehetra, efa maro dia maro ny mpiara-belona no efa maty amin’izao fotoana izao. Tsy hoe tsy misy ny ra mandriaka amin’ny alalan’ny ady dia tsy misy ny maty. Ampy izay, aoka isika rehetra hampihatra ny tena maha Malagasy antsika ka hanaja ny soatoavina izay nolovaina tamin’ireo razambe. Fotoanan’ny fifamelana nasionaly faobe izao. Ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka no ambony indrindra. Andao hanao tanana miara-mitantana, soroka miara-milanja ary tongotra miara-mamindra hanavotra ity firenentsika ity. Maro ny asa miandry. Tsy misy mahavita irery eto. Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary, ao anatin’ny fanajana ny soatoavina Malagasy, fampiharana ny demokrasia, fiarovana ny fiandrianam-pirenena ary ao anatin’ ny fitiavan-tanindrazana.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT