Politique

Dr Ramandehamanana Richard Naverina ho Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro


  • Alarobia 05 Janoary 2011


Niverina nandray ny asany amin’ny maha Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro azy, ny Dr Ramandehamanana Richard. Araka ny fantatra dia tamin’ny 16 desambra 2010 no tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra ny mikasika an’io. Voatery nametra-pialana tamin’io toerana io ny tenany, izay nohamafisin’ny taratasim-panjakana ny 03 oktobra 2010 rahateo, rehefa nomena andraikitra ho Tale lefitry fampielezan-kevitry ny Komity mpampandany ny ENY izy, nanampy an’i Augustin Andriamananoro, ministry ny fifandraisan-davitra sy ny paositra ary ny teknôlôjia maoderina teo aloha, nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalampanorenana natao ny 17 novambra 2010. Vita tokony ny referandaoma, ary lany tamin’ny salan’isam-bato 52,61% ny ENY. Taorian’izay, voatendry ho Tale jeneralin’ny OMERT i Augustin Andriamananoro, naverina tamin’ny asany taloha, lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro kosa ny Dr Ramandehamanana Richard.

Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Dr Ramandehamanana Richard, naneho ny taratasy fametraham-pialany tao amin’ny Foiben-toeran’ny Komity mpampandany ny ENY, ao Ampefiloha, ny alakamisy 07 oktobra 2010
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT