Politique

Dr Rakotomanana Gervais Nisintaka any Vavatenina mihitsy aloha


  • Talata 30 Novambra 2010


Nankaiza ny Ben’ny tanànan’i Toamasina I teo aloha, Dr Rakotomanana Gervais taorian’ny nanilihan’ny FAT azy teo amin’ny fitantanana ny tanàna ka nanoloana azy delegasiona manokana na PDS ? Inona no ataony ankehitriny ? Fanontaniana miverimberina io amin’izao fotoana, indrindra taoarian’ireny raharaha nanenjehana ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny nosy ka nisamborana ary nampidirana am-ponja ny filohany sady Ben’ny tanànan’Ankaraobato, Ralaiseheno Guy Maxime, ireny. Araka ny fantatra dia nisintaka kely ny sehatra politika ny tenany ankehitriny. Any Vavatenina, faritra Analanjirofo any izay ankehitriny. “Mamboly”, araka ny filazany. Na izany aza dia manaraka akaiky ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ny tenany. Izy rahateo mpanao politika, ary tanora, sarotra ho azy ny hijanona tsy hanao politika intsony, efa tratr’io viriosy io, saingy misy handinihana sy hisaintsainana ny zava-nitranga miendrika barofo politika nahazo azy, izay olom-boafidim-bahoaka, tao amin’ny Kaominina Toamasina ambonivohitra ny volana jona 2010 iny. 

Jean D.
 
Sary : Dr Rakotomanana Gervais, Ben’ny tanànan’i Toamasina teo aloha

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT