Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tao amin’ny foiben’ny Tiko SA teo aloha “Ambodisoanambo” Anjoma, ireo zokiolona Tia Tanindrazana ao Toamasina sy ny fikambanan’ny very asa tao anatin’ny krizy ny sabotsy teo tontolo andro.
Nandritra izany no nanasan’izy ireo manokana ny Ben’ny tanànan’i Toamasina teo aloha Dr Rakotomanana Gervais niatrika ny lanonana. Nandritra izay anefa dia nandefa hetaheta tamin’ity Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka voan’ny antsojain’ny fitondrana tetezamita ny taona 2009 ity, ireto fikambanana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana nikarakara lanonana ireto, hirotsahany hofidiana indray. Novalian’i Dr Rakotomanana Gervais ny hetahetan’izy ireo fa “mbola vonona hilatsaka amin’izany Ben’ny tanàna izany ny tenako raha izay no tapaky ny ankolafy iarahantsika manohana. Tsy azo atao tery vay manta mantsy izany fa tsy maintsy ifampierana mba tsy hisian’ny olana sy hahatsara ny fahazoantsika ny toeran’ny Ben’ny tanàna sy ny fitantanana ny tanàna indray toy ny teo aloha”. Nandritra ny lanonana ihany koa, dia niditra mivantana avy any Afrika Atsimo nankahery ireto mpiara-dia aminy ao Toamasina Atoa Ravalomanana Marc. Nambaran’ny filoha teo aloha fa “mila mifanome tanana ny samy zanak’i Dada rehetra, mila ampiana ihany koa ny filoha vaovao mba tena mariky ny fialana marina ao anatin’ny krizy”. Nomarihan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc tamin’ireto mpiara-dia aminy ao Toamasina ireto ny sabotsy teo fa “mety amintsika mpiara-dia amiko io filoha vaovao io ka tsara ny hanampiana azy amin’ny teti-pampandrosoana entiny ho an’ny firenena ankehitriny”. Ho an’ireto fikambanan’ny zokiolona Tia Tanindrazana sy fikambanan’ny very asa noho krizy ao Toamasina ireto kosa, dia ny fanarenam-pirenena haingana hisian’ny asa miforona sy ny fampihavanam-pirenena marina hisian’ny fitoniana ara-politika ary ny fampodiana tsy misy hatak’andro ny filoha Ravalomanana araka ny nambaran’ny tondrozotra natao tsy hita, no takian’izy ireo hovitain’ny filoha vaovao ankehitriny.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.