“Efa tena famonoana vahoaka mihitsy no misy eto fa tsy politika fitsinjovana azy izany. Ny mahagaga anefa dia samy milaza tia tanindrazana avokoa izay miteny”, hoy ny fanehoan-kevitry ny maro mikasika ny zava-misy eto amintsika ankehitriny.
Nivantambatam-piteny ny Dr Rakotomalala nilaza fa “tonga dia tsory raha tianareo hovonoina ny Malagasy”. Tsy nisalasala koa ity mpitsabo ity nanambara fa “ady tombontsoan’i Lafrantsa ny zava-misy eto amintsika, hany ka manararaotra izany ireo Nosy sy firenena afrikanina manodidina manao izay hampitarazohana ny krizy, mba hanararaotany ireo famatsiam-bola tokony ho azon’i Madagasikara sy ireo mpandraharaha te hampiasa vola aty”.
Amin’ny Dr Rakotomalala, ny vahaolana voalohany dia ny mivavaka. Tsy maintsy arahana asa anefa izany mba ho tanteraka. Mila mampiseho koa ny vahoaka fa tena feon’Andriamanitra izy. Mahazaka mijaly ny Malagasy, nefa ampy izay telo taona izay ka efa mitady hitroatra izy ireo saingy mbola manome heriziky farany ny mpitondra azy. Vao mainka handetika ny firenena mantsy ny zavatra hitranga eo raha korontana indray, hoy hatrany ity mpitsabo mpanaraka vaovao politika ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.