Anisan’ny CT zandriny indrindra tamin’ny fanendrena azy ny Dr Ndimbisoa Mamy Andriamahafaly, Ben’ny tanànan’Ivato tanàna teo aloha ka sambany vao niatrika ny fivorian’ny Kongresin’ny tetezamita omaly teny Tsimbazaza.
Nambarany kosa anefa fa tsy tena vaovao loatra amin’ny fivezivezena eny amin’ity toerana ity ny tenany satria efa «Assistant parlementaire» ihany teo aloha fa ny fiketrahana eo amin’ny seza maha CT no vaovao taminy. Raha ny fihainoany ny kabarin’ny Filohan’ny Kongresin’ny tetezamita tamin’ny fotoam-panokafana omaly dia nambaran’ity CT ity fa kabary manentanentana mijery ny fahasahiranan’ny vahoaka, ka amiko Dr Mamy, rehefa mitodika amin’ny vahoaka dia izy izay amiko. Amin’izao fotoana izao dia mafy ny fidiran’ny kilonga am-pianarana ka maro ireo ray aman-dreny tsy mahaloa ny volan’ny FRAM ka mitady tsy tafaverina an-tsekoly intsony ny kilonga hoavin’ny firenena. Ankizy 50 ao amin’ny faritra misy ny tena no nomena vola handoavany an’izany FRAM izany niampy fanolorana fitaovana toy ny kahie sns… ihany koa.
Tao anatin’izay fotoana nanaovan’ny tena politika izay moa, hoy ny CT Dr Mamy, dia ny niady ho an’ny sosialim-bahoaka izay no nimasoanay ka ao anatin’ity fivoriana faharoa ity izay hisongadinan’ny fandaniana ny lalàn’ny tetibolam-panjakana dia hiady mafy mihitsy izahay ary tsy hanaiky mihitsy raha tsy tonga eny am-pelatanan’ny vahoaka ny fiantraikan’izany. Amiko manokana, hoy izy, dia ny fifidianana ihany no mahavaha an’ity kirizy ity fa raha mbola ity tetezamita ity no tohizana dia ho sahirana foana isika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.