Sesilany ny fanehoan-kevitra nivoaka taorian’ny fahafantarana ny anaran’ireo handrafitra ilay Filankevitra ho an’ny Fampihavanana Malagasy na FFM.
Ho an’ny Dokotera Naina mpitarika ny Arema ao Antsirabe sady mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tanàna dia mazava ny azy ny heviny fa : “Tsy hisy fifidianana ho vanona sy ho eken’ny rehetra izany eto Madagasikara”, raha ny trangan-javatra miseho amin’izao fotoana no jerena. Efa mazava, hoy izy fa miomana amin’ny hala-bato ny mpitondra raha ny zava-misy satria rafitra hatao hampihavana indray no atao kitoatoa ka inona no antenaina aminy.
Anisan’ny mpanao politika tranainy tao amin’ny antoko Arema ny tenany kanefa dia zendana tanteraka tamin’ny nisafidianana ireo olona roa hisolotena an’i Vakinankaratra tao amin’ny ilay andrim-panjakana raha ny filazany ihany, ary na ny tenany aza dia milaza fa tsy mahafantatra mihitsy ilay solontena iray ao. Aminy moa raha tena fampihavanana no tadiavina dia izay mahalala ny olana tamin’ny taona 2001 sy ny tamin’ny 2009 tao Vakinankaratra no tokony hisahana izany. « Mahafeno izany fepetra izany ve ireo olona roa ireo ? », hoy izy namarana ny resany. Hatreto aloha dia tsy mbola nahazo ny fankatoavan’ny governamanta ny lisitr’izy 44 handrafitra ny FFM ka ho hita eo fa raha ny fantsy dia efa tototra izay nikarakara ny fifantenana azy ireo.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.