Tsy resy lahatra amin’ny fomba fiasan’ny SADC izay mbola handefa an’ny Dr Leonardo Simao eto Madagasikara handinika ny fepetra fodian’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny profesora Rasolo André.
Aminy dia midika tsy fahafantaran’ity vondrona rezionaly ity ny Malagasy ny mbola handefasana indray io diplaomaty mozambikana iray io izay efa hita ny nataony teto. “Manao tsirambina ny SADC satria tsy hamaha olana ny fahatongavany eto fa fototr’olana indray aza. Misy olona tsy tia sy manohitra an’ny Dr Simao eto”, hoy hatrany ity mpikambana ao amin’ny CNOSC ity. Mihevitra izy fa ny fanohanana ny FFKM amin’ny famahana ny krizy no tokony hataon’ny SADC. Ankoatra izay dia nilaza koa izy fa ilaina ny fitoniana sy ny fahamailona ao anatin’izao vanim-potoana mialoha ny fifidia
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.