Nigadona omaly teny Ivato ny iraky ny Troika SADC, ahitana mpikambana telo ary tarihin’ny Dr Leonardo Simao.
Ambara moa fa hanao tombana ny lafiny filaminana sy ny fampiharana ny tondrozotra no anton-dian’izy ireo eto, dia izay nisy fihemorany herinandro teo noho ny antony tsy fantatra, satria na izy tenany aza tsy nanome fanazavana mazava izay fihemorana izay. Nanamafy ny Dr Simao fa ampiharina isan’andininy ny tondrozotra, saingy tsy nanisy resaka mivantana mikasika ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ny tenany. Na izany aza dia fantatra fa hihaona amin’ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra ity iraka ity, ary koa hihaona amin’ireo miaramila ka anisan’izany ny CMDM.
Notsindriany mazava fa zava-poana ny fifidianana raha tsy misy fitoniana. Haharitra dimy andro ny dian’ity iraky ny SADC ity eto, izay heverin’ny maro fa kaontiny tonga hitsangatsangana ihany satria efa fantatra ny fomba fiasany ka tsy dia misy zavatra azo andrasana aminy. Fa tonga eto Madagasikara omaly koa ny iraka avy amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI) tarihin’i Jean Claude de l'Estrac. Mahakasika ny fiahiana ara-tsakafo, ny maha olona, ary ny fampandrosoana no voalaza fa antondian’ity farany. Telo andro no faharetan’ny iraka tanterahin’ny COI eto.
Nangonini Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.