Herinandro mahery izao no nahatongavan’ny iraky ny SADC eto Madagasikara, tarihin’ny Dr Leonardo Simao.
Fanentanana ny hery politika rehetra hiara-mitantana ny tetezamita iraisana no anton-diany eto. Efa samy nihaona taminy avokoa ny ankamaroan’ireo antoko na vondrona na ankolafy samy hafa, ary omaly dia nihaona tamin’ny jeneraly Camille Vital, praiministry ny Fahefana avon’ny tetezamita ny tenany. Notsindriany hatrany fa ny fanomanana ny fifidianana no andraikitra miandry ny tetezamita ka anentanany ny hery politika mba hiditra ao anatin’ireo faritra isan-karazany ahatongavana ihany koa amin’ilay fiaraha-mikarakara ny fifidianana. “Ny fifidianana malalaka sy anjakan’ny demokrasia no vahaolana amin’izao krizy izao. Araka izany dia tokony hohajaina sy hita taratra amin’ny valim-pifidianana ny tena safidin’ny mpifidy maron’isa ary eken’ny mpanao politika tsy ankanavaka koa izay valim-pifidianana mivoaka eo. Fahatelo dia tokony hahazo toky ny firaisambe iraisam-pirenena fa tena nizotra tao anatin’ny filaminana tokoa ny fifidianana”, hoy i Simao.
Mba hahatrarana ireo fanamby ireo anefa dia ilaina ny fidiran’ny ankolafy rehetra amin’ny rafitry ny tetezamita, anisan’izany ny Komity mahaleotena misahana fifidianana raha ny fanazavany hatrany. Soso-kevitry ny SADC moa ny hanavaozana ity Komity ity mba tena hahaleotena marina ary tsy hisy fitanilana. Nambaran’ny Dr Leonardo Simao koa fa mifampiresaka amin’ny Firenena Mikambana izay manana traikefa maro momba ny fifidianana ny SADC amin’izao fotoana momba ny fanohanana an’i Madagasikara hahafahana miroso amin’ny fakana ny hevitry ny olompirenena amin’ny alalan’ny latsabato io.
Mbola hisy anefa ny fanadihadiana ataon’ny Firenena Mikambana momba ny zava-misy iainan’ny firenena izay hamoahany soso-kevitra momba ny fotoana mahamety ny firosoana amin’ny fifidianana sy ireo fepetra rehetra hampandio azy. Raha nanontaniana momba ny fifidianana kosa ny praiministra Camille Vital dia nanambara ny tenany fa tsy mbola nanapa-kevitra momba izay ho tontosaina mialoha ny fanjakana. “Jerena araka ny zava-misy ny fanapahan-kevitra raha ny fifidianana solombavambahoaka na ny filoham-pirenena no tokony haroso mialoha ” hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.