Politique

Dr Joseph Randriamiarisoa « Mianjera no hiafaran’ny fanjakana ratsy fototra »


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Kitoatoa ny fifidianana nanamboka ny taona 90 hatramin’izao, ka mamotika ny demokrasia eto amintsika. Misy ny fampanarahan-dalàna ny tsy araka ny voalazan’ny lalàna, raha ny fanehoan-kevitr’i Dr Joseph Randriamiarisoa Minisitra teo aloha, Mpikamban’ny Antoko UNDD.

 

 

 

Nambarany tao amina onjam-peo tsy miankina iray, fa efa mandringa io lalàmpanorenana io, kanefa tsy tanterahintsika ny voalaza ao anatiny. Zavatra efa mandringa dia mbola lasa mandringa ihany koa, hoy izy manoloana ny fifidianana loholona hihazakazahan’ny fanjakana. Aiza ny olom-boafidy amin’ny faritany sy faritra? Dia mbola hanao zavatra hafa ihany koa isika. Fotoana tokony hametrahana ny rariny sy hitsiny izao. Raha vao tsy milamina ny fototra iorenan’ny fanjakana dia tsy misy zavatra vanona eto. Hotaingenantsika amin’ny lalàna diso dia mianjera no hiafarany, fa mila mipetraka sy mahitsy tsara ny rafi-panjakana, izay vao afaka mametra zavatra milamina sy mirindra eo ambonin’izany isika. Izao vao tonga saina ny ankamaroan’ny mpanao politika toy ny TIM sy ny HVM. Ny zavatra resahina amin’izao efa tany amin’ny taona 90 tany aho no niresaka an’io, ary tsy nitsahatra niresaka io fifidianana, HCC, CENI,… ny antoko UNDD, ka faly izahay fa tonga saina any amin’izany ny mpanao politika eto amin’ny firenena. Marina io ataon’ny TIM, marina io lazain’ny HVM io. Nahitsy I Dr Joseph Randriamiarisoa, fa mantsy ny fanjakana ankehitriny hoe: ity vaovao vao tonga ity moa mahalala an’izany, mbola tsy manana traikefa amin’ny fahefana, tsy manana traikefa amin’ny politika ka tsy mahagaga ahy raha manao drindrangilo ohatran’io izy. Ho tsapany ihany io rehefa any aoriana hoe hay ilaina ihany ny fifampiresahana eo amin’ny politika, fa tsy resaka teknisianina na resaka CV, hoy ity Minisitra teo aloha ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT