Ny fahazoana dolara dia ny fanondranana any ivelany miampy ny fanampiana ara-bola, hoy ny mpanao politika sady mpahay fanafody na “pharmacologue”, Dr Jean Louis Rakotoamboa.
Lodsia no aondrantsika dia resaka lavanilina sy ny amin’ny orinasa afakaba angamba, hoy izy. Nijotso ny vidin’ny lavanilina. Ny letchi no mba nisy kely dia tsy ampy ilay dolara ividianantsika solika any ivelany fa tsy maintsy ho kelikely. Izay zavatra izay no hitotonganan’ny volantsika indray satria ifandrombahana ilay dolara ahafahana mividy solika dia rehefa mitotongana ny volantsika dia miakatra ny vidin’entana eto. Tsy dia mankaiza ny famokarana vary sy hanin-kohanina eto nefa etsy an-daniny ny zavatra vidiantsika any ivelany ilantsika dolara saingy isika tsy nampiditra dolara akory. Asa izay hiatrehan’ny fitondram-panjakana izany fa tsy maintsy mbola hisy koa ny fiverenan’ny fihibohana fanampin’izay. Raha fongana tanteraka ny aretina na vita vakisiny daholo ny olona vao mety hihena ny fiparitahan’ny aretina. Mihisatra be anefa ny fanaovam-bakisiny eto ka tsy maintsy hanitatra ny aretina ireo tsy vita vakisiny ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.