Politique

Dr Jean Louis Rakotoamboa “Manao izay danin’ny kibony eto ny mafia”


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Ny tena izy amin’ny demokrasia, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Dr Jean Louis Rakotoamboa, raha tsy eo amin’ny fitondrana ianao dia midina any amin’ny faritany mitily ny olana any.

Mijery hoe inona no vahaolana, hoy izy? Iza no ekipa hiaraka dia manao izay praograma izay? Rehefa tonga ny fifidianana dia amin’izay fotoana izay efa vonona tsara ianao. Lany ianao tonga dia afaka miasa. Tsy tokony sakantsakanana amin’izany mihitsy ny mpanao politika na iza izy na iza fa adidy masina eto amin’ny firenena ny fanaovana izany? Tsy herintaona alohan’ny hialanao vao manao fikaonandoham-pirenena ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Izany no fomba fanaovana politika eto amintsika. Tsy mahagaga raha milentika ny firenena. Talohan’ny hitondra ianao nandrevirevy tany Miami sy tany ivelany tany dia tonga eto vao manao atrikasa sy fikaonandoha. Tokony taloha no nanaovanao an’ireny fa tsy nilingilingy tany ivelany tany dia tonga eto vao mamorona atsanga tsy aman’orana tsy azo tanterahana akory. Ilay “Initiative pour l’émergence de Madagascar” rehefa jerentsika amin’ny saina tsy miangatra hatreto dia “Initiative pour l’émergence des mafieux’’. Jereo ny asana mafia na ao anaty fitondrana na aty ivelany. Miharihary ny fitondrana mafia. Ny vahoaka mijaly. Hitantsika ireny raharaha “Ecran plat” ireny. Ireny kolikoly nataon’ny minisitry ny fitsarana ireny. Ireny volamena lasa an-tsokosoko ireny. Ireny volamena nalaina tao amin’ny minisitera ireny. Io ny Airmad nopotehina dia nalaina lasa natao Airlines. Endriky ny mafia ireny rehetra ireny ary ny zava-doza amin’ilay izy dia ilay rafitra mihitsy no mamela ny mpitondra ho tsy maty manota. Ireo mpitondra ambony manao ireny adalana ireny dia mandalo afo fandiovana antsoina hoe antenimieram-pirenena ny dosieny vao hoe azo gadraina na azo tsaraina na tsia. Anaran-tsivery fotsiny ilay hoe HCJ na “Haute cour de justice”. Tsy misy na inona na inona tsarainy fa manao izay danin’ny kibony ireo mafia ary mbola hanohy izany. Hiakatra izao ny vidim-piainana ary mbola hiakatra ny vidin-tsolika. Izahay tsy mino fa io fitondrana io no hahavaha izany olana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT