Politique

Dr Ignace Randriamamizafy “Ny krizin’ny toekarena sy sosialy no lasa rotaka politika”


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Diso tanteraka ny hoe: hanongam-panjakana ny mpanohitra raha mamory vahoaka etsy amin’ny Kianjan’ny Magro, ary tsy hisy Fanjakana hiongana amin’ny resaka kabary fotsiny izany satria maneho ny heviny sy ny fahitany ny

raharaham-pirenena ny mpanohitra, hoy ny hoy i Dr Ignace Randriamamizafy mpampianatra mpikaroka, mpandinika ara-toekarena sady mpisehatra ara-politika. Aminy, na mamela malalaka ny mpanohitra hiteny sy haneho hevitra dia tonga hatramin’ny 2023, na ny olona mety hitady toeran-kafa sy ho tonga eny amin’ny 13 may no hiafarany, dia miafara amin’ny resaka fandratrana sy famonoana olona sanatria. Izay Fanjakana nanao izany teto, tsy nisy tafajanonana teo, tsy nandingana herintaona, ka manahy aho fa mety ho izay no iafaranareo, hoy izy mantsy ny Fanjakana. Aleo hiteny malalaka, fa arovy ny manodidina, hoy hatrany izy. Ara-pitantanana, nahitsy ny tenany naneho, fa miharihary ny tsy fahaiza-mitantana, ny resaka karama na ho an’ny eny amin’ny anjerimanontolo izay grevy lava, ny “vacations” iandrasana fitokonana hatrany, na ho an’ny volan’ny mpanao làlana amin’ny alalan’ny FR (Fonds Routiers), dia tokony efa ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ka na navily amin’ny zavatra hafa na sanatria nahodinkodina. Ny tany Antsiranana 9 volana tsy mandray karama ny Mpiasan’ny SECREN, tsy noraharahiana, nandalo ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana vao nikoropaka nanome vary iray gony 120000Ar avy eo, fa ny karama tsy azo. Ny Antokon’ny Fitondrana anefa nanao “rédynamisation” nahavita namono omby 25. Tsy misy krizy politika tonga ho azy, fa rehefa tsy zakan’ny olona ny korontana ara-toekarena sy sosialy, tonga any amin’ny korontana politika, hoy hatrany izy. Fikaonandoham-pirenena no vahaolana, tsy resaka fizarana seza, izaho ihany koa tsy mankasitraka an’izany satria ry zareo no voafidy teo, fa izay eo no mamadika azy ho lalàna sy manatanteraka ary tohizan’izay manaraka eo. Ny manahirana eto, na misy zavatra tsara tsy tohizana fa hoe: ity ny anay. Ny resaka fanatsarana ny rafi-pampianarana izao, nandanian’ny Banky Iraisam-pirenena volabe kanefa tsy nampiharina. Tsy resaka politika politisianina fa mila resahina ny toekarena, sosialy,… satria ny korontana ara-toekarana sy ara-tsosialy no mivadika korontana ara-politika.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT