Vakio sy henoy ara-tsiantifika ny toromarika voasoratra eo amin'ilay tambavy Covid-Oragaics navoakan'ny IMRA, hoy ny Dr Andrianandraina Emile Ratefinanahary, fa aza henoina ara-politika fa manimba zavatra.
Miangavy antsika mpanao politika aho araka izany mba handika azy ara-tsiantifika ka hanontany an'ireo siantifika ao anaty antoko misy antsika ny momba azy ity. Mazava tsara fa zavatra 4 no voalaza amin'ny soratra eo amin'ny tavoahangy misy ny tambavavy Covid-Organics, hoy izy, ka ity tambavy ity dia fantatra fa :manamafy ny fiarovana ny vatana, miaro amin'ny tsimoka aretina, miaro amin'ny tazo, miaro amin'ny aretin'ny havokavoka sy fahasemporana.Marihako etoana aloha fa tambavy ity Covid-Organics ity fa tsy fanafody fanasitranana tsy akory nefa dia nahazo alalana avy amin'ny AMM ao amin'ny ministeran'ny fahasalamana ny famarotana azy amin'ny daholobe, ny IMRA rahateo efa "institut" nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ary anisan'ny lehibe indrindra aty Afrika eo amin'ny seha-pikarohana ara-pitsaboana. Marihako, hoy ity dokotera ity, fa ny Homeopharma ihany koa dia efa ela no namoaka ny "Sirop Artemisa" ka tokony hampifandraisina ireo ivo-toeram-pikarohana roa ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.