Politique

Dr Emile Ratefinanahary “Tsy ho zakanao io vahoaka io raha mitroatra eo”


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena tao amin’ny Top Radio FM 102.8 i

 

 

 

Dr Emile Ratefinanahary omaly. Samy efa niaraha-nanaiky fa ianareo no lany eo, I Andry Rajoelina no lany eo, hoy izy. Taty aoriana vao nisy resaka hoe “doublons”, ary gaga aho mahita amin’ny gazety hoe Orinan-Rtoa Delmote Tale amin’izao no manana ny orinasa iray hanamboatra ny karapanondro digitale Malagasy vatsian’ny USAID 143 tapitrisa dolara. Hiditra amin’izany “digitalisation” ana karapanondrom-pirenena izany isika. Namoaka ny CENI, fa nisy 1 tapitrisa ny karapanondro miverin-droa. Notakiana teny amin’ny 13 mey fa miala miaraka amin-dRajao ny CENI sy ny HCC, kanefa ireo indray avy eo no nohamafisina rehefa tonga. Aiza no hahatoky intsony ny olona? Ilay zavatra notakianao fony tsy teo indray no hamafisina. Tena kivy sy tsy mahita ianteherana ny vahoaka. Tamin’ny covid-19, dia jereo ny fahasahiranam-bahoaka. Tsy toy ny tamin’ny taona 90 intsony, fa efa mahara-baovao amin’ny alalan’ny internt, ny facebook,…. Nambarany fa amin’izao ny olona mba efa mahalala hoe ilay 600 tapitrisa dolara dia ny 170 tapitrisa dolara tamin’io tokony nanaovana fanampiana ho an’ny mpandraharaha, ny 160 tapitrisa dolara tokony nanampiana ny olom-pirenena tsirairay e! Tsy miteny aho hoe mikorontana ny firenena, na hitroatra ny vahoaka, fa ny olom-pirenena mihitsy no resy. Mahari-pery io, fa rehefa tonga ilay fotoana iray izay tsy hanekeny intsony, hitroarany, dia tsy voafehinao intsony io ary hanome tsiny azy ianao hoe fa inona kosa no nataoko azy. Mila maka lesona tamin’izay niseho (1972, 1991, 2002, 2009, 2018) fa ny tantara tsy misy zavatra vaovao satria tsy mahay maka lesona foana rehefa mahazo fanjakana. Mbola misy no manao toetrana mpanohitra. Tsy misy tamberin’andraikitra, ary ny vahoaka dia isika no nifidy ilay mpitondra. Tena ilaina ny fanabeazana ho olom-pirenena, hoy i Dr Emile Ratefinanahary.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT