Politique

Dr Emile Ratefinanahary Miantso fifamelana


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010


Tia Tanindrazana (T.T) : Nahavita dingana iray indray iny ny FAT dia ny nahavitany ny fitsapan-kevi-bahoaka namoahana lalàmpanorenana vaovao, azo antoka ny fankatoavana iraisam-pirenena ho azy ?
Dr Emile Ratefinanahary (Dr Emile) : Maro ireo dingana efa vitan’izao fitondrana teteza-mita izao, toy ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, fametrahana ny Kongresin’ny tetezamita sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita, fanekena sy fampiharana ny fifanarahana nataon’ny samy Malagasy nisy ireo Antoko politika maro eto amin’ny firenena, ity farany ny fahatontosan’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy misy izany fankatoavana iraisam-pirenena izany raha tsy efa tapitra ny rindran-damina rehetra ametrahana ireo rafitra rehetra ny fitondrana izay manaraka ny lalàmpanorenana.

 
T.T : Mbola ilaina ve ny hiverenana hifampidinika an-databatra boribory ?
Dr Emile : Ny tombontsoa avon’ny firenena sy ny vahoaka no tsinjovina, ny tanjona dia ny hisian’ny filaminana maharitra izay antoky ny fampandrosoana. Noho izany dia ilaina hatrany ary tokony hitohy sy hapetraka mazava eto amin’ny tany sy ny firenena ny fombafomba sy lalana amaritana ny fifampidinihana.
 
T.T : Tsy laharam-pahamehan’ny FAT ny famotsoran-keloka na resahina betsaka aza ny tokony hisian’ny fitoniana politika. Hampiova zavatra ve io ?
Dr Emile : Noho ny zava-nitranga teto amin’ny firenena dia maro ny vokatr’izany, indrindra ho an’ny mpanao politika, fa ho ahy manokana dia tokony ho anjaran’iza moa no manao ny famotsoran-keloka, ary rahoviana ny fotoana hanaovana azy ? Inoako fa tsy maintsy lalana lalovana izany mba hisian’ny filaminana maharitra.
 
T.T : Inona no soso-kevitrao ety am-pamaranana ?
Dr Emile : Eto am-pamaranana dia manao antso avo ny tenako amin’izao faran’ny taona izao ho an’ny hery rehetra na politika na miaramila na mpitondra fivavahana, indrindra ny vahoaka malagasy manontolo hahay hifamela hahafahana mankalaza ny fety am-pilaminana. Tsy maintsy vahana amin’ny fomba rehetra ny olana ara-politika eto amintsika. Aleo hampiharina ny mampalaza antsika maneran-tany dia ny Soatoavina Malagasy !
Mirary Krisimasy sambatra sy taona vaovao feno fanantenana ho an’ny isan-tokantrano ny tenako, eny fa dia ao anatin’ny fahasahiranana mafy aza ny ankamaroantsika.
 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Dr Emile Ratefinanahary dit Vazaha

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT