Vahiny manokan’ny gazety Tia Tanindrazana ny filoha nasionalin’ny antoko Ampela Manao Politika na AMP amin’ity anio ity. Anisan’ireo kandida filoham-pirenena tamin’ny fihodinana voalohany izy. Nisafidy ny nangina izy taorian’izay, saingy nanaiky hitafa fohy taminay izy, araka izao manaraka izao.
Tia Tanindrazana (TT) : Nangina tsy re intsony ianao, taorian'ny fifidianana filoham-pirenena. Misy antony manokana ve izay ?
Dr Brigitte Rasamoelina (Dr Brigitte) : Tsy dia hoe misy antony manokana fa amin’ny sehatra politika, misy fotoana hanginana, misy fotoana hitenenana dia nisafidy nangina aloha tamin’ireny fotoana ireny satria ny tena moa tsy tafiditra tamin’ny fihodinana faharoa ny fifidianana filoha teo.
TT : Manohana ny fitondrana mijoro ankehitriny ve izany ianao ?
Dr Brigitte : Tsy niandany na tamin’ny an-daniny na tamin’ny an-kilany aho tamin’ny fihodianana faharoa ny fifidianana mba ahafahan’ny mpikambana rehetra ny antoko AMP manao safidy malalaka fa izao kosa dia manohana ny fitondrana izahay satria mety tsara aminay ny fandaharan’asan’ny Filoha Rajaonarimampianina izay hita taratra tamin’ny kabary nataony tamin’ny fametrahana azy teny Mahamasina, indrindra moa ireo fanamby izay hanao ady amin’ny kolikoly, hametraka tany tan-dalàna ary hanaja ny miralenta. Ambetin-teninay antoko Ampela Manao Politika ireo tamin’ny fampielezan-kevitray.
TT : Amin’izao ankatoky ny fanendrena praiminisitra izao, mibaribary ny fifanolanana eo amin’ny filoham-pirenena sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha. Ny hevitrao ?
Dr Brigitte : Samy te hametraka ny olony moa ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ary toraka izay koa ny filoha voafidy Hery Rajaonarimampianina izay zavatra eritreretiko fa rariny tokoa satria olona tokony hahay mifanaraka, mitovy fijery, mitovy vina ary mahay mifandray tanana hampandroso an’i Madagasikara ny Filoha sy ny Praiminisitra. Zava-dehibe izay ka na iza na avy aiza na atolotr’iza na iza Praiminisitra eo. Ireo fepetra ireo no tokony hatao tanjona ho tombontsoa ambonin’ny firenena.
TT : Mbola handray anjara amin'ny fifidianana ho avy ve ianao dia any amin'ny faritra aiza no hilatsaka sa misy mpikambana Ampela Manao Politika hirotsaka ?
Dr Brigitte : Antoko politika manenika an’i Madagasikara izahay ka mazava ho azy fa tsy maintsy misy mpikambana handray anjara amin’ny fifidiana manaraka izay heverinay fa ny fifidianana Ben’ny tanàna.
TT : Farany, aiza ho aiza ny APM amin'ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy ny 08 martsa ?
Dr Brigitte : Manana ny fandaharanasanay izahay AMP amin’ny fankalazana ny 08 martsa, andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy fa raha misy fikarakarana ataon’ny sehatra nasionaly dia mandray anjara amin’izany koa izahay.
Dr Brigitte Rasamoelina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.