Politique

Dosie mafana Eny amin’ny Fitsarana Avo ny maso


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Antoko politika miisa 6 no nanatitra fitoriana teny anivon` ny Fitsarana avo (HCJ) miasika ny raharaham-pirenena ankapobeny no anton` izany fitoriana izany ny alatsinainy lasa teo.

 

 

 

 Ao anatin` izay raharaham-panjakana izay no nangatahin` izy ireo fanazavana mikasika ny fitantanana volam-panjakana izay nataon` izy ireo fa vola ho an` ny vahoaka fa tsy ho an` ny olom-bitsy. Ny minisitry ny atitany sy ny fitsijaram-pahefana moa no voakasika amin` izany fitoriana izany. Rehefa mipongatra mantsy ny dosie eto Madagasikara dia lazaina fa fanenjehana ara-politika ny zava-mitranga ka izany foana no fiarovan-tenan` ireo voakasika izany. Raha tsy afaka henjehina mantsy dia rava maina ho azy daholo ny rafitra najoro eto amin` ny firenena. Tsy misy ilana azy ny HCJ raha toa ka tsy azo tsaraina ny mpitondra kanefa dia tokony hitovy ary hoentina eny anivon` ny fitsarana. Tsara no mampahafantatra ireny dosie ireny mba hahafahana ireo mpanao politika tsy mifanenjika fotsiny na hamadibadika resaka amin` ny vahoaka. Araka izany dia miandry ny HCJ ny rehetra na ihany koa ny Antenimiera mba hahafahana manenjika azy. Marihana fa niampy iray izany ny raharaha tsy maintsy dinihan` ny Fitsarana avo ka miisa 15 izy ireo amin` izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT